Akany
Fiseho

Ny akany dia tranon' ny vorona na biby hafa izay namboariny mba hialofany sy ny zanany. Matetika ny akany dia vita amin' ny akora voajanahary toy ny rantsankazo, ny ahitra, volombato, na ravina, indraindray misy volom-borona koa. Mety mampiasa ny akanim-borona nilaozan' ny karazam-borona hafa ny vorona sasany toy ny Falco peregrinus (karazana voromahery), fa ny hafa kosa, toa ny toloho, dia manatody ao amin' ny akany efa ikotrehan' ny karazam-borona hafa. Manao akany azo hanina ny karazana sidintsidina sasany (Apodidae).
Ny biby hafa, ohatra, ny gôrila, ny skirela, ny hala na ny bibikely miara-miaina dia manao akany ihany koa.