Hankany amin'ny vontoatiny

Akamasoa

Avy amin'i Wikipedia
Tanànan'i Akamasoa ao Antananarivo

Akamasoa dia fikambanana mpanao asa soa izay manampy ireo vahoaka sahirana ao Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, natsangan'i Pedro Opeka fantatra amin'ny fiantsona azy hoe "Mômpera Pedro"[1].

Niorina tamin'ny 1989 izy io, ka ireo tsy manan-kialofana manodidina ny fanariam-pako teny amin'ny fokontanin'Andralanitra no nisitraka an'izany fanampiana izany voalohany.[2]

Na dia neken’ny fanjakana malagasy ho sampan-draharaham-panjakana aza ity fikambanana ity tamin’ny taona 2004, dia mahalana vao mahazo fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana, ary tsindraindray no mahazo famatsiam-bola avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena lehibe. [3]

Miankina amin'ny ankapobeny amin’ny fahalalahan-tanan’ireo mpamatsy vola tsy miankina ny fampandehanan-draharaha isan’andro ny fikambanana[4], ireo izay mankasitraka ny foto-kevitra notarihin’i Mômpera Pedro. Izy no manentana izany fanohanana izany amin'ny alalan'ny asa fanentanana lehibe, indrindra amin'ny alalan'ny fihaonambe iraisam-pirenena, izay karakarainy mandritra ny fitetezam-paritra telo isan-taona manerana izao tontolo izao.

  1. Mijoro ny Fiaraha-Mientan’Olo-tsotra Taorian’ny Tondra-drano Teto Madagasikara · Global Voices teny Malagasy
  2. https://www.madagascar-association.fr/akamasoa/
  3. https://www.perepedro-akamasoa.net/biographie/
  4. La solidarité citoyenne s'organise à Madagascar suite aux inondations