Agave vivipara

Ny Agave vivipara dia karazana zavamaniry mamony mônôkôtiledôna, ao amin' ny fianakaviana Agavaceae na Asparagaceae, teratany any Meksika. Indraindray ity karazana ity dia afangaro amin' ny Agave angustifolia Haw. Heverina ho karazana misaraka izy io ankehitriny. Mamorona vatany fohy ny tahony. Ny ravina miendrika lela lefona mirefy 1,2 m (lavany) sy 10 sm (sakany) dia maitso hatsatra na maitso volondavenona ny lokony, ny sisiny dia fotsy, amin' ny ankapobeny kaoka manaraka ny lavany ny lafiny ambonny (ary mivohon-tsotro manaraka ny lavany ny ambany). Misy tsilo mivolontakatra maizina mirefy 3 sm ny raviny tsirairay. Ny vondrom-bony, izay mirefy 3 ka hatramin' ny 5 m ny halavany, dia misy voniny maitso manopy mavo, manana tangozany mipoitra amin' ny teboka iray toy ny rantsan' elo. Taloha izy io dia nantsoina hoe Agave ixtli Karw (izay misy mihevitra koa fa ny Agave angustifolia).