Hankany amin'ny vontoatiny

Agave sisalana

Avy amin'i Wikipedia
Taretra

Ny Agave sisalana dia karazan-javamaniry mamony, avy any amin' ny faritra atsimo amin' i Meksika, nefa volena betsaka any amin' ny firenena maro hafa. Karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Agavaceae ny Agave sisalana. Atao hoe taretra izy amin' ny teny malagasy nefa tsy manondro karazan-javamaniry tokana ity anarana ity.

Ampiasaina amin' ny fanamboarana tady sy kofehy ny tsiraky ny taretra, ary azo ampiasaina amin' ny fanamboarana zavatra maro hafa, anisan' izany ny taratasy, ny fitafiana, ny kapa, ny satroka, ny kitapo ary ny karipetra. Ny tsiraky ity taretra ity koa dia ampiasaina ho fanamafisana ny tsiraka vita amin' ny tamaboho na vita amin' ny fingotra ary ny zavatra vita amin' ny simenitra. Azo aotrika sy sitilîna koa ny Agave sisalana mba hanaovana zava-pisotro misy alikaola (atao hoe mezcal any Meksika).

Tsy tena fantatra ny fiavian' ny taretra, nefa heverina fa avy amin' ny fanjakan' i Chiapas any Meksika. Afaka mivelona mandritra ny 7 hatramin' ny 10 taona ny Agave sisalana, mamokatra ravina 200 hatramin' ny 250 azo ampiasaina. Maniry any amin' ny faritra manana toetanim-pehintany sy ambanin' ny fehintany ny taretra, mahazo aina tsara izy amin' ny hafanana mihoatra ny 25  °C sy amin' ny tara-masoandro.

Araka ny tantara dia nampiasain' ny Azteka sy ny Maia amin' ny fanamboarana lamba sy taratasy ity karazana taretra ity. Niely tany amin' ny faritra hafa maneran-tany izy io tamin' ny taonjato faha-19, ka i Brezila no lasa mpamokatra azy betsaka indrindra. Ampitomboina isa amin' ny alalan' ny fambolena ny zanany (avy amin' ny fakany na amin' ny voany) ny taretra ary azo hatsaraina ara-pototarazo amin' ny alàlan' ny fambolena tambatsela anaty labôratoara. Alaina amin' ny alalan' ny fitotoana ary avy eo hamainina, agonina ny tsiraka taretra ary fonosina mba ho azo aondrana.

Nitarika fahapotehan' ny tontolo iainana ny fambolena Agave sisalana, tamin' ny voalohany, saingy heverina fa kely kokoa noho ny fahapotehana ateraky ny karazana fambolena hafa izany ankehitriny. Lasa zavamaniry manafika ny teratra any Hawaii sy Florida.

Tsiraka taretra

Ny famokarana Agave sisalana maneran-tany tamin' ny taona 2020 dia 210 000 taonina, ka i Brezila no mpamokatra lehibe indrindra, arahin' i Tanzania, i Kenia, i Madagasikara, i Sina ary i Meksika.

Firenena mpamokatra taretra betsaka indrindra — taona 2020
Brezila 86 100 t
Tanzania 36 400 t
Kenià 22 800 t
Madagasikara 17 600 t
Sina 14 000 t
Meksika 13 100 t
Haity 12 000 t
Totaly maneran-tany 209  900 t

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]