Aller au contenu

Aga Khan

Avy amin'i Wikipedia

Ny hoe Aga Khan dia anaram-boninahitra lovaina isaloran' ny imam ao amin' ny ismaelisma nizarita. Ity anaram-boninahitra ity dia manambatra ny anaram-boninahitra tiorka ôtômana hoe ağa (sady sivily no miaramila) sy ny anaram-boninahitra tiorka-môngôly hoe khan (ara-pôlitika sy ara-panajana). Nomena' ny shahan' i Persia, Fath Ali Shah Qajar, an' ilay imama nizarita Hasan Ali Shah, tamin' ny taona 1818, izany anaram-boninahitra izany.

Ny British Raj dia nanaiky tamin' ny fomba ôfisialy ny vondrom-pivavahana ismaelilana sy ny Aga Khan ho imam-dry zareo tamin' ny taona 1877, ary ity farany ity dia andriandahy nandova tamin' ny taona 1887, niaraka amin' ny fiarahabana manokana amin' ny alalan' ny poa-tafondro 11 sy ny filazana azy ho Highness:

  • Hasan Ali Shah, Aga Khan I (1804-1881),
  • Shah Ali Shah, Aga Khan II (1830-1885),
  • Sultan Mohammed Shah, Aga Khan III (1877-1957),
  • Shah Karim al-Husayni, Aga Khan IV (1936-2025),
  • Rahim al-Hussaini, Aga Khan V (1971- )

Ny vadin' ny Aga Khan dia nomena anarana hoe "Begum Aga Khan".