Afrahata

Avy amin'i Wikipedia
I Afrahata, sary ao amin'ny boky Les Vies des Pères des déserts d'Orient: leur doctrine spirituelle et leur discipline monastique (1886)

I Afrahata, izay atao hoe Afrahata ilay Persana Hendry, dia mpanoratra kristiana amin'ny fiteny siriaka niaina tamin'ny antsasany voalohan'ny taonjato faha-4, izy sy i Efrema avy any Nisîba no azo lazaina fa mpanoratra kristiana siriaka tranainy indrindra. Miisa 23 ny taratasy nosoratany izay mikendry ny fampianarana na ny famporisihana ny olona, ka ny fitambarany dia nantsoina hoe Taḥwiāthā ("Fampisehoana", "Fanazavana"), izay nosoratany teo anelanelan'ny taona 336 sy 345.

Atao hoe ܐܦܪܗܛ‎ / Ap̄rahaṭ izy amin'ny teny siriaka, فرهاد‎, / Ap̄rahaṭ amin'ny teny persna, Ἀφραάτης / Aphraatês amin'ny teny grika ary Aphraates amin'ny teny latina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]