Aepyornithidae

Ny Aepyornithidae na Aepyornithiformes dia "filaharana" na "fianakaviana" vorona tsy afa-manidina, ngeza dia ngeza, efa lany tamingana niaina teto Madagasikara. Noheverina fa efa lany tamingana izy ireo tany amin' ny taona 1000 tany ho any, angamba vokatry ny asan' ny olombelona. Ny Aepyornithidae dia nisy karazany telo, ny iray ao amin' ny vondron-karazana Mullerornis, ary ny roa ao amin' ny vondron-karazana Aepyornis (vorompatrana). Ny Aepyornis maximus no vorona lehibe indrindra tamin' ny vorona nisy rehetra, ary ny atodiny no lehibe indrindra fantatra ao amin' ny Amniota rehetra.
Anisan' ny Palaeognathae ny votrona rehetra ao amin' ny Aepyornithidae (izay matetika fantatra amin' ny anarana hoe Ratitae ireo izay tsy manidina), ary ny havany akaiky indrindra dia kioy (izay tsy hita afa-tsy any Zelandy Vaovao), izany dia milaza fa tsy nisampantsampana tamin' ny alalan' ny fahasaamihafan' ny toerana nisy azy ny ratita nandritra ny fisarahan' i Gondwana fa nivoatra nankany amin' ny tsy fahafahana manidina, avy amin' ny razambe izay niparitaka tamin' ny alalan' ny fanidinana.
Ny filaharana Aepyornithiformes teo aloha dia mamondrona ny fianakaviana tokana Aepyornithidae (izay nantsoin' i Marco Polo hoe "vorona elefanta"), izay ahitana vondron-karazana telo: ny Aepyornis sy ny Vorombe ary ny Mullerornis. Efa lany tamingana izao ny karazana rehetra ao anatin' io filaharana io. Ny roa amin' ireo (Aepyornis maximus sy Aepyornis medius) dia mety mbola velona hatramin' ny taona 1500 ary mety ho niandohan' ny angano hoe Rokh (en). Ny anarana malagasy hoe voronpetra na vorombe ("vorombola") indraindray dia nampiasaina tsy araka ny tokony ho izy mba hanondroana ny sisa tavela amin' ny Aepyornis.
Ny Aepyornithidae, izay tsy hita afa-tsy teto Madagasikara, dia anisan' ny vorona lehibe indrindra sy mavesatra indrindra eran-tany, satria mirefy telo metatra mahery ny haavony (mitovy amin' ny môa any amin' ny nosy any atsimon' i Zelandy Vaovao sy ny Pachystruthio dmanisensis any Jeôrjia) ary milanja efa ho antsasaky ny taonina, dia ny Vorombe titan.
Ny National Geographic Society any Washington dia manana atodin' ny Aepyornis, misy ny taolan' ny zana-borona tsy foy.
Mihoatra noho ny fihazana sy ny tavy ary ny fandripahana ala teto amin' ny Nosy angamba no nahatonga ireo vorona ireo ho lany tamingana.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Ny fianakaviana Aepyornithidae na ny filaharana Aepyornithiformes dia nahitana karazana valo izay mitsinjara amina vondron-karazana telo.
- Aepyornis
- Aepyornis gracilis Monnier, 1913
- Aepyornis hildebrandti Burckhardt, 1893
- Aepyornis maximus Geoffroy-Saint Hilaire, 1851
- Aepyornis medius Milne-Edwards & Grandidier, 1866
- Mullerornis
- Mullerornis betsilei Milne-Edwards & Grandidier, 1894
- Mullerornis agilis Milne-Edwards & Grandidier, 1894
- Mullerornis rudis Milne-Edwards & Grandidier, 1894
- Vorombe
- Vorombe titan, 2018