Ady tamin' ny Yom Kippur

Ny Ady tamin' ny Yom Kippur, na Ady tamin' ny Ramadan, na Ady tamin' ny Ôktôbra, na Adin' ny Arabo sy ny Isiraeliana tamin' ny 1973, dia ady mitam-piadiana nampifanandrina an' i Israely tamin' ny fiarahan' ny miaramila arabo notarihan' i Ejipta sy i Siria tamin' ny 6 ka hatramin' ny 25 Ôktôbra 1973.
Tamin' ny andro fifadian-kanin' ny Yom Kippur, fety tao Israely izay nifanojo tamin' ny Ramadany tamin' ny taona 1973, nanao fanafihana tampoka tao amin' ny Saikinosin' i Sinay sy ny Lembalemban' i Golan, faritra egiptiana sy siriana nofehezin' i Israely hatramin' ny Ady Enina Andro ny Ejiptiana sy Siriana.
Nanararaotra ny fahamboniana araka isa ny tafika ejipsiana sy siriana, ka nandroso nandritra ny 24 ka hatramin’ ny 48 ora, fotoana izay nitondran' i Israely mpiady fanampiny. Na dia mbola nanana fahamboniana araka isa aza ny mpanafika, dia afaka nanakana azy ireo ny tafika israeliana. Tao anatin' ny herinandro dia niverina ny tanjaka ara-tafik' i Israely ary nanao valin-kafatra izay nahafahan' izy ireo niditra lalina tany Siria sy niampita ny lakandranon' i Suez sy nandroso mianatsimo sy mianandrefana ho any Ejipta rehefa niantso ny fampitsaharana asy mba hisian' ny fifampiraharahana ny Filankevi-Pilaminan' ny Firenena Mikambana, miaraka amin' ny firenena matanjaka roa, dia ny Firaisana Sôvietika sy Etazonia, amin' ny alalan' ny Fanjakana Mitambatra. Rehefa nivondrona indray ny tafika israeliana sy ny tafika egiptiana, dia nitohy indray ny ady teo amin' ny vava ady siriana sy egiptiana nataon' ny Israeliana taorian' ny fampitsaharana ny ady. Tsy naka hevitra tamin' ny etamazôro ny manamboninahitra israeliana teny am-piasiana fa nanararaotra io fampitsaharana ady io mba hanodidinana ny fahavalo.
Niteraka korontana ara-pôlitika lehibe ny tsy fahombiazan' ny sampam-pitsikilovana israeliana namantatra mialoha ny fanafihana mananontanona, anisan' izany ny fametraham-pialan' ny praiminisitra Golda Meir. Ny antontan-taratasy iray navoaka tsy ho tsiambaratelo intsony tamin' ny taona 2012 taorian' ny Vaomieran' ny Agranat dia mampiseho fa i Ashraf Marwan dia nampitandrina an' i Zvi Zamir talen' ny Mossad tamin' ny 5 ÔktÖbra 1973, momba ny "fampitandremana momba ny fanambaràna ady", saingy tsy nampitaina avy hatrany tamin' ny praiminisitra lefitra Yigal Allon ny vaovao.
Ny fahombiazana voalohan' ny tafika egiptiana, ny faharavan' ny Tsipika Bar-Lev, ary ny fanontaniana lalina momba ny teôria momba ny fiarovana israeliana dia nitarika amkn' ny fisokafan' ny fifampiraharahana momba ny fandriam-pahalemana izay niafara tamin' ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin' i Israely sy i Ejipta. Io fanamafisana ny fifandraisana io dia vita tamin' ny alalan' ny fifanarahana tao Camp David tamin' ny 1978. Ho setrin' ny fanoloran-tena tsy hanafika an' i Israely, izay mbola hajaina hatramin' izao, dia nalain' i Ejipta indray ny Saikinosin' i Sinay, voabodo taorian' ny Ady Enina Andro tamin' ny 1967. Nisokatra indray ny sisin-tany teo amin’ i Ejipta sy i Israely, ary afaka nandeha nankany amin’ ny firenena fahavalo taloha ny mponina tao amin’ ireo firenena roa ireo.
Ny voka-dratsin' ity ady ity eran-tany dia ny krizin' ny solitany tamin' ny taona 1973, rehefa nanapa-kevitra ny OPAEP (na OAPEC) fa hampiakatra 70 % ny vidin' ny solitany iray barily ary hampihena ny famokarana azy.