Adriamandazoala

Avy amin'i Wikipedia

Andriamandazoala dia mpanjaka tao amin' ny faritr' i Fiherenana izay nanorina an' i Menabe araka ny lovantsofina. Teo anelanelan' ny taona 1540 sy 1560 no nanjakany. Tamin' ny taona 1580 no nahafatesany. I Bararatavokoke no rainy. Izy no mpandimby faharoa an-drainy. Andriantsionda sy Andriambarindry no rahalahiny. Niteraka 14 tamin' ny vadiny marobe izy. Koa satria kely loatra ny fanjakany ka tsy omby andriandahy 14 amin' ny hahafatesany, dia nitaiza ny zanany mba hanao fanitaram-panjakana bebe kokoa manerana ny Nosy izy. Toy izao no nahafahan' ireto farany nanangana fanjakana izay mbola fantatra hatramin' izao ny taranany: ny Zafimanely ao amin' ny Bara izay monina ao amin' ny faritr' Ankazoabo, Beroroha, Betroka, Ihosy ary Sakaraha; ny taranaka Rabehava na Zarabehava ao amin' ny Antesaka izay monina ao amin' ny faritr' i Farafangana, Midongy Atsimo, Vangaindrano, ary Vondrozo; ary, ny Mahafaly Marosaraña, izay monina ao amin' ny faritr' Ampanihy Andrefana sy Betioky Atsimo.

Ny zanak' Andriamandazoala roa voalohany, Andriamisara sy Andriamandresy, sy ny anabavin' izy ireo iray, dia niampita ny reniranon' i Mangoky ka nahita ny Fanjakan' i Menabe. Ny tanànan' i Bengy, izay tsy lavitra an' i Mangoky, no renivohiny. Nanohy ny fandresena hanitaram-panjakana ireo mpanjaka vaovao tao Menabe.

Nianavaratra Andriamisara ary niafara tamin' ny fametrahana ny renivohiny tao Mahabo, Andriamandresy kosa no niantoka ny fampanekena ny Betsileo tao amin' ny amin' ny farira afovoany atsimon' i Madagasikara. Maty tany amin' ny tanin' ny fahavalony Andriamandresy. nefa naterin' ny Betsileo tany Bengy ny razana.