Adijady

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Adijady (evan'ny zodiaka))
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny evan'ny Adijady

Ny Adijady no vintana fahafolo amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka sy amin'ny fanandroana malagasy manara-bolana. Ny Alakaosy no eo alohany ary ny Adalo no manaraka azy. Anaran'ny zana-pehintany atsimo koa ny Adijady.

Fiavian'ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Sary maneho ny Adijady

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اجدي / Al-Djadi ("osilahy") ny hoe Adijady. Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe Alijady io teny io.

Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Capricornus na amin'ny teny frantsay hoe Capricorne io teny io. Amin'ny teny soahily dia atao hoe Jadi na Mbuzi io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Jadi na Kambing Duyung ihany koa izy.

Ny antokon-kintana Adijady sy ny zodiaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana Adijady dia eo amin'ny 19 Janoary hatramin'ny 15 Febroary. Eo amin'ny 15 Janoary hatramin'ny 14 Febroary ny fari-potoan'ny Adijady araka ny zodiakan-kintana fa amin'ny 21 Desambra hatramin'ny 20 Janoary kosa izany ao amin'ny zodiaka mikisaka. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin'ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Ao amin'ny fanandroana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahafolo koa ny Adijady ka ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Renivintana ny Adijady.

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria mijadina mafy. Mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy ny Adijady. Mifandratra amin'ny Asorotany sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza izy.

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adijady ho volana fahafolo amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]