Adansonia za
Fiseho

Ny Adansonia za dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae araka ny fanasokajiana klasika, na ny ao amin' ny fianakaviana Malvaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika. Tandindonin-doza ity karazana zaha ity, izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara. Mampanahy ny fahaverezan' ny toeram-paniriany voajanahary. Mirefy 130 000 km² eo ho eo ny velaran-tany anirian' ity karazan-kazo ity any amin 'ny ilany andrefan' i Madagasikara, noho izany dia manana anarana malagasy maromaro araka ny faritra izy: bontana, bontona, boringy, bosy, bozo, bozy, fony, mboio, ringy, voajabo, za, zabo.