Hankany amin'ny vontoatiny

Adansonia rubrostipa

Avy amin'i Wikipedia
Adansonia rubrostipa
Adansonia rubrostipa

Ny Adansonia rubrostipa dia karazana zaha, ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae araka ny fanasokajiana klasika, na ao amin' ny fianakaviana Malvaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika. Mampiavaka ny ala maina eto Madagasikara ny fisiany, izay afaka mitahiry rano ao amin' ny vatany izay mitovitovy amin' ny an' ny zaha kely. Atao hoe ringy ny anarany amin' ny teny malagasy.

Ny ringy dia hazo manintsan-dravina izay mety ho kely na ho lehibe, mirefy 4-5 m ny haavony, miaraka miloko manja mena ny hodiny miofakofaka. Matetika ny vatany dia miendrika tavoahangy. Ny sampana lehibe dia matetika marindrano, avy eo miolika mankany ambony. Ny sampany indraindray dia misy tsilo eo amin' ny velarany ambony.

Izy io dia tsy hita afa-tsy any amin' ny faritra andrefan' i Madagasikara. Mifandray amin' ny tany voatondraka tsara izy io ary hita any amin' ny ala maina sy misy tsilo. Amin' ireto faritra arovana ireto no misy azy: Amoron' i Onilahy, Helodranon' i Baly, Menabe Antimena, Ala Mikea, Namoroka, Ranobe PK 32, Tsimanampesotse, Tsimembo Manambolomaty, Tsinjoriake (La Andatabo sy Anantsono).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]