Hankany amin'ny vontoatiny

Adansonia gregorii

Avy amin'i Wikipedia
Adansonia gregorii

Ny Adansonia gregorii dia karazana zavamaniry mamony roa ravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae araka ny fanasokajiana klasika, na ao amin' ny fianakaviana Malvaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika APG III. Teratany any amin' ny faritra kely any avaratra andrefan' i Aostralia (Western Australia sy Northern Territory) ity karazana ity. Atao hoe Adansonia gibbosa koa izy io.

Toerana tiany aniriana

[hanova | hanova ny fango]
Adansonia gregorii

Tsy hita raha tsy any Aostralia ny Adansonia gregorii, any amin' ny faritr' i Western Australia (Kimberley) sy any atsinanana mankany amin' ny Northern Territory. Io no hany reniala na za hita any Aostralia. Misy rijan-kevitra isan-karazany momba ny fomba nahatongavan' ilay hazo any Aostralia, ary mitovy ny fototarazon' ny Adansonia gregorii sy ny an' ny Adansonia digitata, havany aty Afrika. Afaka maniry tsara avy any amin' ny haambon' ny ranomasina ika hatramin' ny haambo 300 m eo ho eo izy io, ary matetika hita any amin' ny ala malalaka sy faritra be vato, na koa any amin' ny alam-baratraza koa.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Ravin' ny Adansonia gregorii

Toy ny amin' ny reniala hafa dia mora fantatra amin' ny vatany mibontsina, izay mamorona, manome endrika tavoahangy an' ilay hazo, ny Adansonia gregorii. Mirefy 5 hatramin' ny 15 m ny haavon' ny Adansonia gregorii, matetika 9 hatramin' ny 12 m, ary misy vatany lehibe miendrika tavoahangy manana savaivo mahatratra 5 m. Manana toetra miavaka ny hodiny, satria afaka mitazona marika voasoratra mandritra ny fotoana maharitra, mihoatra ny zato taona.

Zavamaniry manintsan-dravina mandritra ny vanim-potoana ririnina maina ny Adansonia gregorii ary mamoaka ravina vaovao sy voniny fotsy lehibe eo anelanelan' ny Desambra sy Mey, hatramin' ny 75 mm ny halavany.

Vonin' ny Adansonia gregorii

Misokatra ny vonin' ny amin' ny alina, ary misy vondron-dravimbony manaa halava mirefy eo amin' ny 6 sm. Malambolambo be ny faritra anatiny. Ny samoina Agrius convolvuli no miantoka ny famindrana vovobony ao amin' ny Adansonia gregorii.

Voan' ny Adansonia gregorii

Miloko volontany mainty, misy hodiny mafy sy tsy misokatra hoazy ny voan' ny Adansonia gregorii. Miovaova ny bikany, boribory na miendrika atody, ary amin' ny ankapobeny dia kely kokoa noho ny voan' ny karazana reniala aty Afrika. Misy nofony fotsy izay manodidina vihim-boa maro miendrika tsaramaso ny ao anatin' ilay hodiny mafy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]