Hankany amin'ny vontoatiny

Adansonia grandidieri

Avy amin'i Wikipedia
Adansonia grandidieri

Ny Adansonia grandidieri dia karazana zavamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae araka ny fanasokajiana klasika, na ao amin' ny fianakaviana Malvaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika APG III. Io no lehibe indrindra sy malaza indrindra amin' ny karazana reniala enina eto Madagasikara. Ity hazo ity dia tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, sady atahorana ho lany tamingana noho ny fidiran' ny fambolena ao amin' ny faritra aniriany. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe renala, reniala, renibeala na vonoa.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Adansonia grandidieri

Manana vatana goavam-be, miendrika varingarina, matevina, mahatratra 3 m ny savaivony, rakotra hodiny malama sy miloko volondavenona manopy mena ny Adansonia grandidieri. Mety hahatratra 25 ka hatramin' ny 30 m ny haavony. Fisaka sy misy rantsana lehibe marindrano ny tampon' ny vondron-draviny.

Ravin' ny Adansonia grandidieri

Miendrika felan-tanana, matetika misy zana-pelandravina 9 ka hatramin' ny 11 ny ravin' ny Adansonia grandidieri. Io no hany karazana reniala misy zana-pelandravina miloko maitso manopy manga ary rakotra bolobolo miendrika kintana.

Mitranga mandritra ny vanin-taona maina ny vony, manomboka amin' ny volana Mey ka hatramin' ny Aogositra, alohan' ny hisehoan' ny ravina. Mitsangana, boribory ary volontany matroka ny tsimo-bony. Ny vony dia voaforon' ny ravimbony 5 (indraindray 3) izay miolaka ary miolana eo am-pototry ny vony. Mitambatra eo amin' ny fotony ka mamorona fantsona misokatra manana halalina eo amin' ny 1 sm ny ravimbony. Fotsy sy mihavony rehefa mihaantitra ary manana halava hatramin' ny 20 mm sy sakany 4 mm eo ho eo ny felambony. Ny vony dia manana fantsona fotsy afovoany (fantson-dahimbony) izay mahatratra halava 16 mm ary foronin' ny fitambaran' ny tahon' ny lahimbony. Manana halavany mirefy hatramin' ny 6,5 sm sy misandrahaka avy eo an-tampon' ny fantson-dahimbony ny tahon-dahimbony miisa 600 hatramin' ny 700 tsy mitambatra. Misy fihary tokana be volovolo ao anatin' ny fantson-dahimbony.

Voan' ny Adansonia grandidieri
Voan' ny Adansonia grandidieri

Lehibe sy maina ary boribory na miendrika atody ny voa izay misy hodiny mafy manana hatevina 2 hatramin' ny 4,5 mm ary rakotra bolobolo mivolombolamena matevina ny voa. Ny vihim-boany dia manana halava 12 hatramin' ny 20 mm sy miendrika tsaramaso mifono ao anatin' ny nofony azo hanina.

Faritra sy toerana aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Hita any atsimo andrefan' i Madagasikara, eo anelanelan' ny farihin' Ihotry (akaikin' i Morombe) sy Bereboka ny Adansonia grandidieri. Ity karazana reniala ity dia naniry tany amin' ny ala maina sy manintsan-dravina, indrindra teo akaiky renirano na farihy misy rano isan-taona. Amin' izao fotoana izao anefa dia any amin' ny tany malalaka sy misy fambolena na tany simba no tena ahitana azy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]