Hankany amin'ny vontoatiny

Adansonia

Avy amin'i Wikipedia
Adansonia digitata
Lalana misy zaha (Adansonia grandidieri)

Ny Adansonia dia vondron-karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Bombacaceae, araka ny fanasokajiana klasika taloha, na ao amin' ny fianakaviana Malvaceae sy zana-pianakaviana Bombacoideae, araka ny fanasokajiana filôjenetika. Hazo trôpikaly izy ireo, izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara sy any Aostralia ary ao Afrika. Amin' ny teny malagasy dia antsoina matetika hoe reniala na za izy ireo, nefa samy misy koa anarana salihafa arakaraka ny karazany na ny fiteny ao amin' ny faritra aniriany: rainiala, reniala, renala, bontana, bontona, vontana, vontona, fony, fone, ringy, za, zaha, vonoa, sns izy ireo arakaraka ny karazany sy ny faritra aniriany. Misy karazany sivy izy io maneran-tany, ka ny fito amin' ireo dia maniry eto Madagasikara no misy azy ary enina amin' izay dia tsy misy afatsy eto ihany, no roa kosa dia miparitaka amin' ireo faritra hafa voalaza etsy ambony. Hazo makadiry ny zaha, izay mety hahatratra hatramin' ny 40 m ny haavony, misy koa anefa ireo izay somary fohifohy 4 m na 5 m. Mety ho velona mandritra ny 1 000 taona na maherin' izany aza izy raha tsy misy manimba. Mbola eo koa ny voka-tsoa maro azo avy aminy, na fanafody izany na zavatra hafa. Azo atao sakafo sy fampiasana amin' ny fanaingoana vatana ny voany. Na ny tahony, na ny raviny, na ny hodiny, na ny voany, dia tsy misy very fa azo ampiasaina avokoa.

Adansonia grandidieri

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]