Acrididea

Ny Acrididea dia zafim-pilaharana bibikely mpihinana ahitra, fohy ringotra, misy tongony enina, ka ny roa eo aoriana, izay ahafahany mitsambikina, dia lava kokoa noho ny efetra eo aloha. Zafim-pilaharana ny Acrididea, izay ahitana ny ankabeazan' ny karazana ao amin' ny zana-pilaharana Caelifera. Ny fandalinana ny Acrididea dia antsoina hoe akridôlôjia.
Ireo ao amin' ny fianakaviana Acrididae no be mpahafantatra. Ny Acrididea sasany dia heverina ho bibikely mpanimba; indrindra fa ny valala mandeha amin' andiany dia mety hiteraka fanimbana tena lehibe aty Afrika sy any Azia ary indraindray any amin' ny faritra atsimo amin' i Eorôpa. Amin' ny ankapobeny, ny karazam-balala afaka manao andiany dia mandeha mitsitonkatokana, saingy amin' ny toe-javatra sasany dia mihabetsaka izy ireo ary manova ny toetrany sy ny fahazarany ka mety handeha miaraka ary afaka mandeha lavitra sy mihinana ny zavamaniry sendra azy sy ny fambolen' ny olona. Misy Acrididea manana endrika mifanakaiky amin' ny an' ny "valala mpivahiny" ny any Amerika ekoatôrialy nefa tsy manapotika zavamaniry be any izy ireo.

Ny Orthoptera Species File dia mitanisa ireto fianakaviambe manaraka ireto: ny ankamaran' ny fianakaviana sy ny karazana dia ao amin' ny Acridoidea. Tsy aseho eto ireo efa lany tamingana.
- Acridoidea (MacLeay, 1821)
- Acrididae MacLeay, 1821
- Dericorythidae Jacobson & Bianchi, 1905
- Lathiceridae Dirsh, 1954
- Lentulidae Dirsh, 1956
- Lithidiidae Dirsh, 1961
- Ommexechidae Bolívar, 1884
- Pamphagidae Burmeister, 1840
- Pamphagodidae Bolívar, 1884
- Pyrgacrididae Kevan, 1974
- Romaleidae Pictet & Saussure, 1887
- Tristiridae Rehn, 1906
- Eumastacoidea Burr, 1899
- Chorotypidae Stål, 1873
- Episactidae Burr, 1899
- Eumastacidae Burr, 1899
- Euschmidtiidae Rehn, 1948
- Mastacideidae Rehn, 1948
- Morabidae Rehn, 1948
- Thericleidae Burr, 1899
- Pneumoroidea Thunberg, 1810 — tsy misy afa-tsy karazana iray
- Proscopioidea Serville, 1838 — tsy misy afa-tsy karazana iray
- Pyrgomorphoidea Brunner von Wattenwyl, 1874 — tsy misy afa-tsy karazana iray
- Tanaoceroidea Rehn, 1948 — tsy misy afa-tsy karazana iray
- Trigonopterygoidea Walker, 1870
- Trigonopterygidae Walker, 1870
- Xyronotidae Bolívar, 1909
Tsy tokony hafangaro ireto teny manaraka ireto: Acridoidea (zana-pilaharana), Acrididae (fianakaviana), Acridinae (zana-pianakaviana), Acridini (foko), Acrida (vondron-karazana ahitana karazana miisa 40 any ho any).