Hankany amin'ny vontoatiny

Acanthospermum hispidum

Avy amin'i Wikipedia
Acanthospermum hispidum

Ny Acanthospermum hispidum dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Maniry isan-taona izy io izay avy any Amerika Afovoany sy Atsimo. Ity zavamaniry ity dia voatanisa ho ahidratsin' ny fambolena landihazo any Brezila ary ampiasaina ho zavamaniry fanafody ihany koa. Izy io dia nentina any amin' ny toerana maro miparitaka any Eorazia sy atỳ Afrika ary any Amerika Avaratra ary lasa maniry hoazy any. Toraka izany koa izy any Aostralia izay iheverana azy ho ahidratsy any Western Australia.

Ny anarany feno dia Acanthospermum hispidum DC. Anarany teo aloha ny hoe Acanthospermum humile var. hispidum (DC.) Kuntze. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe bakakely na fatika.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Acanthospermum hispidum

Ahitra be volovolo misy rantsana misampana tsiroaroa ary misy fakany mahitsy hodidinin' ny zana-paka ny Acanthospermum hispidum.

Acanthospermum hispidum

Mifanohitra ny ravin' ny Acanthospermum hispidum sady somary mibikan' atody na miendrika miraefadafy, ary tsy misy tangozany.

Acanthospermum hispidum

Mitambatra ny vonin' ny Acanthospermum hispidum ka manome vondrombony madinika misy felambony mavo hita eo amin' ny fihaonan' ny rantsana.

Acanthospermum hispidum

Mamokatra voa voalamina ho toy ny kintana misy tsilo mifaingoka izay misokatra rehefa matoy ka mamela ny vihiny hiparitaka ny Acanthospermum hispidum. Ny voa tsirairay dia misy tsilo roa lehibe sy matanjaka kokoa eo amin' ny tampony.

Fampiasana nentim-paharazana

[hanova | hanova ny fango]

Fitsaboana

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina amin' ny aretin-koditra toy ny ekzema sy ny herpesy ary ny ratra ny Acanthospermum hispidum. Ity zavamaniry ity koa dia ampiasaina amin' ny aretin' ny fivaviana, ny kohaka, ny sita, ny sohika, ny tazo ary ny fihazonan-drano. Ny fakany sy ny raviny no ampiasaina amin' izany.

Ny fampiasana azy any anatin' ny vatana (atelina na fohina) dia tokony hohalavirina satria mahafa-jaza sy manimba endrika ny tsaika ao an-kibo io zavamaniry io. Mety hiteraka fahaverezan-dra sy fahasimban' ny aty koa izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]