Acaciella

Ny Acaciella dia antokon-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, ary ny zana-pianakaviana Mimosoideae. Maniry any amin' ny Faritra Neôtrôpikaly ny karazana ao aminy. Ny faritra manamorona ny morontsirak' i Pasifika any Meksika no foiben' ny fahasamihafan-karazana ao aminy. Tsy misy tsilo sady tsy manana fihary maminy ivelan' ny voniny izy ireo. Na dia mampiavaka ny Acacia sensu latu (amin' ny heviny malalaka) aza ny lahimbony tsy mikambana izay maro (indraindray mihoatra ny 300 isam-boniny), dia manana toetra maromaro itoviany amin' ny antoko Piptadenia (foko Mimoseae) izy. Mitovy amin' ny an' ny Senegalia ny vovobony sy ny asidra amino malalaka. Misy peratra mpihary maminy eo anelanelan' ny lahimbony sy ny fihary atodinaina, mitovy amin' ny an' ny Acacia subg. Aculeiferum. Ahitana karazana miisa 15 ny ao amin' io antoko io.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny antoko Acaciella araka ny Catalogue of Life (23 Feb 2018):
- Acaciella angustissima (Mill.) Britton & Rose
- Acaciella barrancana (H. Gentry) L. Rico
- Acaciella bicolor Britton & Rose
- Acaciella chamelensis (L. Rico) L. Rico
- Acaciella glauca (L.) L. Rico
- Acaciella goldmanii Britton & Rose
- Acaciella hartwegii (Benth.) Britton & Rose
- Acaciella igualensis Britton & Rose
- Acaciella lemmonii (Rose) L. Rico
- Acaciella painteri Britton & Rose
- Acaciella rosei (Standl.) L. Rico
- Acaciella sotoi L. Rico
- Acaciella sousae (L. Rico) L. Rico
- Acaciella tequilana (S. Wats.) Britton & Rose
- Acaciella villosa (Sw.) Britton & Rose