Hankany amin'ny vontoatiny

Acacia (sensu lato)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Acacia sensu latu)
Acacia greggii

Ny Acacia dia antokon-javamaniry pôlifiletika mamondrona hazobotry sy hazo ao amin' ny zana-pianakaviana Mimosoideae ao amin' ny fianakaviana Fabaceae. Nofaritan' ilay bôtanista soedoà Carl Linnaeus tamin' ny taona 1773 izy io, nifototra amin' ny karazana afrikana Acacia nilotica, izay sokajina ho Vachellia nilotica ankehitriny. Misy tsilo ny ankamaroan' ny karazana tsy aostraliana. Tsy misy tsilo kosa ny ankamaroan' ny karazana aostraliana. Mamokatra pepany sy ranony ary raviny matetika misy taninina izay hita nampiasaina ho fanafody ny karazana rehetra.

Araka ny famaritana taloha dia mandrafitra ny antoko faharoa lehibe indrindra ao amin' ny Fabaceae ny antoko Acacia (ny Astragalus no lehibe indrindra), izay nanana karazana 1 300 eo ho eo, ka teratany any Aostralia ny manodidina ny 960 amin' izy ireo, ary miparitaka amin' ny faritra manana toetany trôpikaly sy toetany antonony amin' ny ila bolantany roa ny ambiny, anisan' izany i Eorôpa, i Afrika, i Azia Atsimo ary i Amerika. Nozaraina ho antoko dimy misaraka nefa samy ao amin' ny "Mimosoideae" ity antoko ity. Ahitana ny ankamaroan' ny karazana aostraliana sy ny vitsy any Azia Atsimo-Atsinananasy ny ao La Réunion ary any amin' ny nosin' i Pasifika maro ny antoko antsoina ankehitriny hoe Acacia. Sokajina ao amin' ny antoko Vachellia sy Senegalia ny ankamaroan' ny karazana any ivelan' i Aostralia sy ny karazana aostraliana vitsy. Samy misy karazana manodidina ny 12 avy any Amerika ny antoko roa farany, Acaciella sy Mariosousa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]