Hankany amin'ny vontoatiny

Absarôka (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Mpiady absarôla

Ny Absarôka na Apsarôka, na Absalôka na Absalôka, izay atao amin' ny teny anglisy hoe Crows (izany hoe "Goaika"), dia vahoaka teratanin' i Amerika (amerindiana) niaina tao amin' ny lohasahan' ny renirano Yellowstone, izay nafindran' ny governemantan' i Etazonia any anatin' ny toeram-pitahirizana (Reservation) ao atsimon' i Billings (any Montana). Any Crow Agency (any Montana) ny foibe ara-pôlitikan' ny Absarôka. Mampiantrano fety isan-taona ity vahoaka ity, ahitana pow-wow, rodeo, matso, sns; ny Crow Fair ("Foaran' ny Goaika") dia atao isan-taona ao amin' ny Crow Agency isaky ny volana Aogositra.

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]
Crow Indian Reservation

Toeram-pitahirizana olona lehibe mirefy 7 300 km2 mahery ny Crow Indian Reservation any amin' ny tapany atsimo sy afovoan' i Montana. Any amin' ny kôntean' i Big Horn sy ny kôntean' i Yellowstone ary koa ao amin' ny tany nampindramina ao amin' ny kôntean' i Rosebud sy ny kôntean' i Carbon ary ny kôntean' i Treasure no misy azy ireo. Ny sisin-tany atsinanana dia eo amin' ny meridiana faha-107 andrefana, afa-tsy eo amin' ny sisin-tany misy ny Northern Cheyenne Indian Reservation: raha ny marina dia efa ela sy tsy mazava. Manomboka eo amin' ny meridiana faha-107 andrefana ka hatrany amin' ny morony atsinanan' ny renirano Bighorn ny sisin-tany atsimo.

Ny toeram-ponenany

[hanova | hanova ny fango]
Tipi

Monina anaty trano atao hoe tipi ny Absarôka, trano vita amin' ny tsato-kazo sy ny hoditry ny karazan' omby atao hoe bison. Ny ao anatiny dia misy kidoro eo amin' ny sisin' ny trano fialofany, ary misy afo eo afovoany, mivoaka amin' ny lavaka eo an-tampon' ny tipi ny setroka.

Fitafiana

[hanova | hanova ny fango]
Absarôka mitaingina soavaly

Miankina amin' ny maha lahy na vavy ny fomba fitafin' ny Absarôka. Manao akanjo tsotra ny vehivavy, satria mandany ny ankamaroan' ny fotoana eo akaikin' ny tipi. Manao akanjo lava vita amin' ny hoditr' ondry na hoditra serfa, voaravaka nifin' ny ôrinaly, izy ireo. Manao saron-dranjo sy kitraro hoditra iva koa izy ireo. Manao volo fohy fa tsy toy ny lehilahy ny vehivavy absarôka. Manao lobaka, saron-dranjo voahazona amin' ny fehikibo, akanjo lava, ary kiraro hodidra iva ny lehilahy. Lava ny volon' izy ireo, ary asiana kojakoja isan-karazany indraindray.