Hankany amin'ny vontoatiny

Abrus

Avy amin'i Wikipedia
Vonin' ny Abrus precatorius

Ny Abrus dia vondron-karazan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, zana-pianakaviana Faboideae, ao amin' ny filaharana Fabales, teratany any amin' ny faritra mafana ao amin' ny Tontolo Taloha, ahitana karazana roapolo eo ho eo. Io no hany vondron-karazana ao amin' ny foko Abreae. Ny Abrus precatorius no karazana filamatra. Izy io dia hazobotry any India izay manana rantsana madinika, matetika mihodinkodina amin' ny tohana misy azy. Misy poizina ny voany mena midorehitra ary ampiasaina hanaovana sapile sy firavaka. Maniry manerana an' i Afrika trôpikaly, eto Madagasikara, any amin' ny Saikinosin' i Arabia, any Azia Atsimo sy Azia Atsimo-Atsinanana, any amin' ny tapany atsimo amin' i Sina, any Ginea Vaovao, ary Aostralia ny karazana. Nampidirina tany amin' ny Amerika trôpikaly ny karazana sasany.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny antoko Abrus:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]