Abolhassan Bani Sadr

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Abol Hassan Bani Sadr)
Abolhassan Bani Sadr

I Abolhassan Bani Sadr (persana: ابوالحسن بنی‌صدر) dia mpanoratra sy mpanao pôlitika iraniana. Izy no filoha voalohany tao amin' ny Repoblika Islamika taorian' ny Revôlisiôna Iraniana tamin' ny 1979 izay nanafoana ny fanjakan' ny mpanjaka. Voafidy ho filiham-pirenen' i Iràna tamin' ny fifidianana andraisan' ny rehetra anjara, tamin' ny 76 % tamin' ny vato tamin' ny 25 Janoary 1980 izy, nefa naongan' ny Antenimiera tamin' ny voana Jona 1981. Nisesitany any Frantsa izy hatramin' izay.

Teraka tamin' ny 22 Marsa 1933 tao Hamadan, ao Iràna izy ary maty tamin' ny 9 Ôktôbra 2021 tao Paris any Frantsa. Atao hoe Seyyed Abolhassan Bani Sadr (persana: سید ابوالحسن بنی‌صدر) koa izy.

Talohan' ny naha-filoham-pirenena azy dia minisitry ny raharaham-bahiny tao amin' ny governemanta vonjimaika izy. Nipetraka nandritra ny taona maro tany Frantsa izy ary nanangana ny Filankevi-Pirenena momba ny Fanoheranan' i Iràna (persana: شورای ملی مقاومت ایران / Šurā-ye Melli-e Moqāvemat-e Īrān).

Taorian' ny fanonganana azy dia nandositra an' i Iràna i Banisadr ary nialokaloka tany Frantsa. Nifantoka tamin' ny asasoratra ara-pôlitika momba ny hetsika nataony nandritra ny Revôlisiôna Iraniana sy ny fanakianana nataony tamin' ny governemanta iraniana i Banisadr taty aoriana. Lasa mpitsikera an' i Ali Khamenei, Mpitarika Faratampony, sy ny fitantanana ny firenena izy tamin' ny fifidianana tao Iràna tamin' ny taona 2009.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]