Abelmoschus moschatus

Ny Abelmoschus moschatus dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Malvaceae, teratany any India sy any amin' ny faritra trôpikaly any Azia sy any Aostralazia. Ambolena be dia be izy io noho ny voany, izay ahazoana menakamanitra. Nantsoina hoe Hibiscus abelmoschus L. izy io teo aloha. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe bana, sondraranjaza, tambasotsa, tambazotse, na tsindraranjaza.
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Misy zabna-kaazaba telo tena fantatra:
- Abelmoschus moschatus subsp. biakensis (Hochr.) Borss.Waalk.
- Abelmoschus moschatus subsp. moschatus
- Abelmoschus moschatus subsp. tuberosus (Span.) Borss. Waalk.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ahazoana menakamanitra ny ny vihim-boan' ny Abelmoschus moschatus ary ampiasaina amin' ny fanamboarana ranomanitra. Ity zavamaniry ity dia ampiasana amin' ny fanomanana sakafo maromaro. Afangaro amin' ny kafe ny vihim-boany; ny pepany maitso sy ny raviny ary ny solofony dia atao anana. Izy io koa dia singa iray ampiasaina amin' ny fanamboarana toaka nentim-paharazana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Bana (zavamaniry): Abelmoschus moschatus Medik. (← Hibiscus abelmoschus L.) (Malvaceae); Solanum melongena L. (Solanaceae)
- Sondraranjaza: Abelmoschus moschatus Medik. ; Hibiscus diversifolius Jacq. (Malvaceae)
- Tambazotse: Abelmoschus esculentus (L.) Moench (← Hibiscus esculentus L.) (Malvaceae); Abelmoschus moschatus Medik. (Malvaceae); Canarium madagascariense Engl. (Burseraceae); Canarium boivinii Engl. (Burseraceae)
- Tsirandranjaza: Abelmoschus esculentus (L.) Moench (← Hibiscus esculentus L.) (Malvaceae); Abelmoschus moschatus Medik. (← Hibiscus abelmoschus L.) (Malvaceae)