Aller au contenu

İznik

Avy amin'i Wikipedia
İznik

I Iznik na İznik dia sady tanàna no distrika ao amin' ny Faritanin' i Bursa any Torkia. Eo amin' ny toeran' i Nikea, tanàna grika tranainy, izay niavian' ny anarany, no misy azy io, izay nanaovana ny Kônsily voalohany tany Nikea. Ity tanàna ity dia eo afovoan' ny sahalempona lonaka eo amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Farihy İznik ary havoana no manamorona azy ao avaratra sy atsimo.

Ny tanànan' i İznik dia 80 km atsinanana-avaratra-atsinanan' i Bursa. Raha atao hitsin-dalana dia eo amin' ny 90 km atsimo-atsinanan' i Istanbul izy io, fa 200 km kosa raha manaraka lalana, izay mihodina ny Hoalan' i İzmit. Io lalana io anefa dia nohafohezina efa ho 75 km taorian' ny fanokafana ny tetezana Osman Gazi tamin' ny taona 2016.