Fianakaviambe iraisam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiarahamonina iraisam-pirenena)

Ny fianakaviambe iraisam-pirenena na fiarahamonina iraisam-pirenena dia vondrom-pirenena afaka manova ny fizotran' ny raharaha pôlitika iraisam-pirenena na ao amin' ny firenena iray, ka mety manondro:

  • ireo firenena ao amin' ny Firenena Mikambana (izany hoe ny firenana rehetra manana solon-tena ao amin' ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana);
  • ireo firenenena ao amin' ny Filankevi-pilaminan' ny Firenena Mikambana (na raha ny marina kokoa, ny mpikambana maharitra dimy fotsiny);
  • ireo "vondrona", fiaraha-miombona antoka eo amin' ny firenena matanjaka ara-toekarena na ara-tafika, toa ireo ao amin' ny OTAN na ny G7 na ny G20, tsy ampifandraisina amin' ny Firenena Mikambana.
  • i Etazonia sy ny firenena rehetra ambany fitarihany ara-pôlitika na ara-toekarena na ara-tafika.