Tongolo

Avy amin'i Wikipedia
Allium tricoccum

Ny tongolo dia zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Amaryllidaceae (teo aloha nosokajina tao amin' ny Liliaceae). Allium ny anarany ara-tsiansa. Mahatratra eo anelanelan' ny 260 sy 690 miparitaka indrindra any Eorazia sy any Amerika Avaratra ny karazan' ny tongolo. Io no hany ahitana karazany azo atao sakafo ao amin' ny Amaryllidaceae. Vondron-karazana manan-danja ao amin' ny fikarakarana sakafon' ny olombelona ny tongolo, izay ahitana zavamaniry fanao sakafo sy zava-manitra ary fanao fanafody maro. Anisan' io vondron-karazana io ny tongoloherana (Allium ampeloprasum var. porrum), ny tongolobe (Allium cepa), ny tongolo lay (Allium sativum), ny tongolomadinika (Allium ascalonicum), ny tongolo raviny (Allium schoenoprasum). Misy koa ny karazany fanao haingon-tanàna fa tsy fihinana.

Ny karazana sasany dia manana, ankoatry ny fananahana mila lahimbony sy vavimbony amin' ny alalan' ny voa, dia misy koa ny fomba fampitomboana taranaka azy amin' ny alalan' ny vatany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]