Wikipedia:Takelaka/Tahiry 2014

Avy amin'i Wikipedia

Janoary 2014

Ny Etazonia dia firenena any Amerika Avaratra izay mizara ho faritra mizakatena (state) dimampolo, distrika federaly iray ary, faritra ivelany (territory) 14. Ny firenena Kanada no manamorona azy ao avaratra, Meksika kosa avy atsy atsimo. Ny ranomasina Atlantika sy Pasifika no sisin-taniny atsinanana sy andrefana. Ny faritra iray izay atao hoe Alaska dia any avaratr'i Kanada no misy azy ary ny andian'nosy Hawaii dia any amin'ny ranomasina Pasifika.

9,7 tapitrisa kilaometatra toradroa ny fivelarantany misy azy, ary faha-efatra eran-tany izy amin'ny fivelaran-tany sy ny isan'ny mponina monina ao aminy. Izy no firenena manana toe-karena matanjaka indrindra eran-tany. (tohiny...)

Febroary 2014

I Finlandy dia firenena any Eoropa Avaratra ao amin'ny Vondrona Eoropeana hatry ny taona 1995.

Ny Finlandy dia manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika, indrindra eo amin'n gôlfan'i Bôtnia ary ny gôlfan'i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an'i Finlandy dia any ivelan'ny tanjona Skandinava, any avaratra andrefan'i Rosia ary any atsinanan'i Soeda ; ny faritra avaratr'i Finlandy dia any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika.

Io toerana io dia tratra ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina, ny 5,3 tapitrisa mponina isain'ny demôgrafiam-pirenena dia manao an'i Finlandy firenena anisan'ny firenena kely hakitroky ny mponina indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan'ny olona mipetraka any Finlandy dia mipetraka any atsimony, misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna lehibe, toy Espoo sy Vantaa, ao amin'ny Faritanin-drenivohitra. Ny finlandey dia manana teny ofisialy roa, ny teny finoa ary ny teny soedoa, ary ao anatin'ireo teny ireo, Suomi sy Finland ny anaram-pirenena.

Nandritry ny ela, ny Finlandy dia entin'ny Fanjakan'i Soeda mifanila aminy, namorona ny renivohitra voalohany, Turky, ny Finlandy dia mbola voamariky ny ady nampifanohitra azy tamin'i Rosia, tanjaka imperialista nampalasa azy diose rosy mizaka tena tamin'ny 1809 ; tamin'ny taonjato faha roapolo ny Finlandy vao nahazo fahaleovantena tamin'i Rosia tao aorian'ny ady an-trano tamin'ny 1917. (tohiny...)

Martsa 2014

Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy) dia firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Fitambarana nosy i Madagasikara raha amin'ny lafin'ny firenena no jerena. Madagasikara ihany koa no iantsoina ilay nosy malagasy lehibe miendrika tongotra havia. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany ny nosy Madagasikara. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina (6). I Madagasikara dia nipoitra tamin'nny fiparitahan'ny kaontinanta Gondwana tamin'ny taona tamin'ny taona -35 tapitrisa talohan'i Jesoa Kristy : voalohany i Madagasikara ary i India dia nisaraka tamin'i Afrika ary dimampolo tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin'i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin'izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afatsy any Madagasikara valopolo isan-jaton'izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekolojika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan'ny olombelon (tavy, fandringanana ny ala, fihazanana ny biby) ; ankehitriny dimy amin'ny sivipolo isan-jaton'ny ala taloha no voaringana. (tohiny...)

Aprily 2014

Sary:Sary:Flag of Spain.svg

I Espaina dia firenena eoropeana ao amin’ny tanjona Iberika, ao atsimon’i Eoropa. Ny renivohiny dia i Madrid, ary ireo firenena manodidina azy dia i Frantsa ary Andôra any avaratra ary Pôrtogaly any andrefana. I Espaina no firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra ao amin’ny tanjona Iberika. Tamin’ny taona 2009, 46 tapitrisa mponina no isam-poniny izany hoe firenena faha-29 be mponina indrindra eo anivon’izao tontolo izao, hery mpanjanaka faharoa antitra indrindra aorian’i Pôrtogaly. Ary ny ny fiteniny, noho izy hery mpanjanaka taloha, dia anisan’ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany. (tohiny...)

Mey 2014

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona. Ilay raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy i Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Histoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantarantsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (antranonkala na ambon'ny CD), toa i Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium. (tohiny...)

Jiona 2014

Ny Tantara voajanahary izay natonta tamin'ny taonjato faha-17

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoraran'i Pliniosy Be Taona, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny santiôna tanteraka ary ny fanontana izay tsy dia nisy nahalala nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo. (tohiny...)

Jolay 2014

I Filipina na amin’ny anarany lava Repoblikan’i Filipina, na amin’ny fiteny tagalaogy Republika ng Pilipinas, na amin’ny fiteny anglisy, Republic of the Philippines, dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanan’i Malaizia (Borneo), Brunei, ary Indonezia (Faritany Indonezianin’i Borneo na Kalimantan). (tohiny...)

Aogositra 2014

Ny Andriandoriamanjaka dia taranaka iray eto Imerina no niandohany.

Rabiby (voalohan'ny taonjato faha-16 aorian'i Kristy), mpanjaka arabo jiosy teo Ambohidrabiby dia nanan-janaka telo ka ny vavimatoa dia i Rabefaravolamanjaka ary ny vavy aivo dia i Ramaintsoanala (niova anarana ho Randapavola). Nisy vady namboarina roa teo Ambohidrabiby tamin'ny nanjakan-dRabiby. Raha tonga hangataka an'i Rabefaravolamanjaka i Andriamanelo mpanjakan'Alasora dia i Randapavola no nomen-dRabiby ho vadiny fa Rabefaravolamanjaka kosa nomeny ho vadin'Andrianamboninolona, zanak'Andriamananitany. Ny Andriandoriamanjaka dia iantsoana ireo zanak'i Rabefaravolamanjaka tamin'Andrianamboninolona zanak'Andriamananitany. Ao antampon'ilay tendrombohitra avo voahodidina hadivory eroa ampita avaratra antsinanan'Ambohidrabiby, atao hoe "Ambohitrandriananahary", no namponenin-dRabiby i Rabefaravolamanjaka sy ireo zanany ary ao Rabefaravolamanjaka no miafina. (tohiny...)

Septambra 2014

Ny lambamena dia ilazana lamba amonosana ny maty teo amin'ny ntaolo. Anarana fotsiny ihany ny lambamena fa mety ho volonkazo ny lokony, mety ho fotsy na mavo na mena mihitsy. Samy manana ny soratra sy lokony ireny lambamena ireny ary ny sasany aza dia misy ny anaran'ilay razana vita amin'ny vakana. Miankina amin'ny lokony sy ny halehibeny (misy telo vitrana, 5 vitrana, sns...) anefa no vidiny. Araka ny fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena" dia ny lamba miloko mena no tena lafo vidy ka ireo olona manankaja sy mahery fo teo amin'ny fiarahamonina no tena nividiananan'ny olona azy sy notolorana azy satria mendrika izany noho ny vidiny. Ireo lamba tsy dia misy loko firy kosa (volonkazo) dia mora kokoa ny vidiny. Ny "lamba landy" kosa dia ampiasaina hilazana ireo lamba vita amin'ny landy saingy hitafian'ny velona. (tohiny...)

Oktobra 2014

Madagasikara na Repoblikan'i Madagasikara (anarana ofisialy) dia firenena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Fitambarana nosy i Madagasikara raha amin'ny lafin'ny firenena no jerena. Madagasikara ihany koa no iantsoina ilay nosy malagasy lehibe miendrika tongotra havia. Nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany ny nosy Madagasikara. Toerana fonenan'ny 5%-n'ny biby sy zavamaniry misy eto amin'izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80%-n'ireo dia Madagasikara irery ihany no manana azy (na ahitana azy eto an-tany). Voasokajy ao anatin'ireo ny Gidro sy ny Rajako isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo (3) sy zava-maniry toy ny Baobaba izay ahitana sokajy mihotra ny enina (6).

I Madagasikara dia nipoitra tamin'nny fiparitahan'ny kaontinanta Gondwana tamin'ny taona tamin'ny taona -35 tapitrisa talohan'i Jesoa Kristy : voalohany i Madagasikara ary i India dia nisaraka tamin'i Afrika ary dimampolo tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin'i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin'izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afatsy any Madagasikara valopolo isan-jaton'izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekolojika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan'ny olombelon (tavy, fandringanana ny ala, fihazanana ny biby) ; ankehitriny dimy amin'ny sivipolo isan-jaton'ny ala taloha no voaringana. (tohiny...)

Novambra 2014

Ny Tantara voajanahary izay natonta tamin'ny taonjato faha-17

Ny Naturalis Historia, izay azontsika dikaina hoe Tantara Voajanahary amin'ny fiteny malagasy dia asa soratra izay mirakitra anaty volume 37 nosoraran'i Pliniosy Be Taona, izay tia nanangona fampahalalana betsaka indrindra mahakasika ny kolontsaina amin'ny ankapoben'ny olom-pirenena romana izay manan-kolontsaina.

Nahatsiaro saina i Pliniosy fa fohy ny fe-potoana iainan'ny olombelona, ary noho izany tokony ampiasainy tsara izay fe-potoana ananany izay mba tsy hahakely ny fahafahany mianatra.

Na dia anisan'ny asa soratra feno indrindra avy amin'ny Taona latina Taloha aza io zavatra io, tsy hita ny firaketana ambon'ny papyru, fa singantsingan-taratasy mateza nosoratana nandritra ny taonjato fahadimy ary singan-taratasy tamin'ny taonjato fahavalo. Ilaina niandry ny taonjato faha roa ambin'ny folo isika vao afaka mijery ny santiôna tanteraka ary ny fanontana izay tsy dia nisy nahalala nataon'i Nicolas Jenson ny taona 1469. Nanonta azy fanindroany i Sweynheym ary Pannartz tamin'ny 1470 avy amin'ny fanontan'i Giovanni Andrea Bussi, evekan'i Aleria. Ekena fa toerana nitombohan'ny fomba ara-tsoratra nentindrazana ilay santiôna farany teo. (tohiny...)

Desambra 2014