Wikipedia:Takelaka/4 2014

Avy amin'i Wikipedia
Sary:Sary:Flag of Spain.svg

I Espaina dia firenena eoropeana ao amin’ny tanjona Iberika, ao atsimon’i Eoropa. Ny renivohiny dia i Madrid, ary ireo firenena manodidina azy dia i Frantsa ary Andôra any avaratra ary Pôrtogaly any andrefana. I Espaina no firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra ao amin’ny tanjona Iberika. Tamin’ny taona 2009, 46 tapitrisa mponina no isam-poniny izany hoe firenena faha-29 be mponina indrindra eo anivon’izao tontolo izao, hery mpanjanaka faharoa antitra indrindra aorian’i Pôrtogaly. Ary ny ny fiteniny, noho izy hery mpanjanaka taloha, dia anisan’ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany. (tohiny...)