Wikipedia:Fandikana ny soratra sirilika

Avy amin'i Wikipedia

Ity pejy ity dia manazava anao hoe ahoana ny mandika ny soratry ny abidy sirilika amin'ny soratra latina. Tsy misy fifanarahana natao momba ny translitteration teto amin'ny wikipedia ankehitriny, ary voatomboko ity pejy ity mba hahita vahaolana ho an'ny olana momba ny translittération.

Ireto ny antony anaovana ity pejy ity :

  • Mba hanaray ny fombana fandikana amin'ny teny latina an'ny soratra sirilika eto amin'ny wikipedia malagasy, na amin'ny teny rosy na amin'ny teny hafa.
  • Mba hanarakaraka ny fomba fanoratana ny soratra sirilika.

Avoaka ohatra iray hatao haingo : alaina ny soratra Владимир Владимирович Путин tononina hoe [vlɐˈdʲimʲɪr vlɐˈdʲimʲɪrəvʲɪtɕ ˈputʲɪn] amin'ny Abidy ara-drafipeo Iraisam-pirenena. Ny dikan-tsoratr'io eto amin'ny wikipedia malagasy dia Vladimir Vladimirovič Putin fa tsy Vladimir Vladimirovitch Poutine satria dikan-tsoratra frantsay ; ary tsy Vladimir Vladimirovich Putin satria dikan-tsoratra anglisy, na dia ampiasain'ny ankapoben'ny fiteny manerak'izao tontolo izao aza, fa ilay nolazaina tamin'ny voalohany ihany no ampiasaina. Noho ny tsi-fisian'ny soratra sasany amin'ny klavie ampiasain'ny mpiteny malagasy (ilay č ohatra), dia ho asaiana fihodinana (redirection) mankany amin'ny lohateny voatsipelina tsara mba hanaraka ilay fitsipika napetrantsika teto.

Ny abidy sirilika sy ny translitteration-ny[hanova ny fango]

Abidy Sirilika Translitteration ampiasaina eto amin'ny wikipedia malagasy
А, а A
Б, б B
В, в V
Г, г G
Д, д D
Е, е E
Ё, ё Jo
Ж, ж Ž
З, з Z
И, и I
Й, й J
К, к K
Л, л L
М, м M
Н, н N
О, o O
П, п P
С, с S
Т, т T
У, у U
Ф, ф F
Х, х Kh
Ц, ц C
Ч, ч Č
Ш, ш Š
Щ, щ Šč
Ъ, ъ '
Ы, ы Y
Ь, ь '
Э, э Ë
Ю, ю Jo
Я,я Ja