Trôpikan'ny Adijady
Ny Trôpikan'ny Adijady na trôpika atsimo dia anisan'ny fehintany dimy aseho amin'ny saritany. Ny laharam-pehitaniny dia 23° 26′ 22″ S any atsimon'ny Fehibe, ary manamarika ny ila-bolantany atsimo amin'ny masoandro manono ny avaratra sy ny tanamasoandro mijadona rehefa amin'ny roa ambin'ny folo (amin'ny horan'ny masoandro) isaky ny 21 Desambra.
Jeografia sy toe-tany[hanova]
Ny mirasanda amin'ny trôpikan'ny Adijady eny amin'ny ila-bolantany avaratra dia ny trôpikan'ny Asorontany, ny laharam-pehintan'ny trôpikan'ny Asorontany dia 23° 26′ 22″ N.
Ny velarana any atsimon'ny trôpikan'ny Adijady dia lazaina hoe velarana tempere, satria ny toe-tany any atsimon'ny trôpikan'ny Adijady dia tsy mafana sady tsy mangatsiaka. Ny tohi-tsikilaonina trôpikaly dia avy amin'ny fiakaran'ny rivotra mafana avy ao amin'ny faritra manodidin'ny Fehibe miakatra makeny amin'ny tendrontany, ny rivotra miainga avy ao amin'ny fehibe dia rivotra "maina" sady mafana, ary maivana izy noho ny hamainany. Ny rivotra lasa tao amin'ny faritry manodidin'ny fehibe dia mampisy ny jotsotsindry. Io josotsindry io dia manintona ny rivotra "mando" avy any amin'ny trôpika (avaratra sy atsimo), ny rivotra avy amin'ny trôpika avaratra sy atsimo dia mifanena eo amin'ny faritra lazaina hoe Toerana ifanojoana intertrôpikaly na zone de convergence intertropicale.
Toerana andalovan'ny trôpikan'ny Adijady[hanova]
- Arjentina
- Aostralia
- Alice Springs, Northern Territory
- Emerald, Queensland
- Gibson Desert, Western Australia
- Great Dividing Range, Queensland
- Lake Disappointment, Western Australia
- Rockhampton, Queensland
- Longreach, Queensland
- Botswana
- Brazily
- Itaquaquecetuba
- Mogi das Cruzes
- Maringá
- Seranam-piaramanidin'i São Paulo-Guarulhos
- São Paulo
- Sorocaba
- Ubatuba
- Silia
- Madagasikara
- Mozambika
- Inhambane city
- Namibia
- Paragoay
- Aftika Atsimo