Toska

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Iray amin'ireo karazam-poko lehibe ao Albania, raha Gega ilay karazana iray. Mandrakotra ny tapany atsimon'i Albania izy ireo (atsimon'ny ony Shkumbin), Epiro ary ny tapany atsimon'i Masedoana.

Noho ny tapany atsimo manakaiky an'i Italia sy Gresy dia manana toe-tsaina misokatra kokoa amin'ny any ivelany ny Toska raha oharina amin'ny Gega.

Ortodoksa ny ankamaroan'izy ireo, ary ireo mponina orotdoksa vitsy an'isa (20 %) ao amin'io firenena io dia saika any atsimo avokoa no tena ahitana azy.

Noho ny Toska nanana fahefana betsaka kokoa teo amin'ny lafiny politika albanezy tamin'ny taona 1945, tamin'ny andron'ny fitondrana kaomonista notarihan'i Henver Hoxha, izay toska, dia nanjary ny toska no tenim-pirenena nampiasaina tamin'io vanim-potoana io.