Teratanin' i Amerika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Teratanin'ny Amerika)
Vehivavy ketsoa mibaby zaza

Ny teratanin' i Amerika dia olona nipetraka tao Amerika talohan' ny Eorôpeanina. Amin' ny fiteny anglisy dia Native Americans ny anarana omena azy matetika. Araka any fomba vaovao fahatongavan' ny teratan' i Amerika tany Amerika, avy any Eorazia ny teratan' i Amerika ary tonga tany amerika tamin' i Beringia taloha (mbola tsy nisy rano teo amin' ny andilan' i Bering tamin' izany fotoana izany). 12 000 taona lasa ny fifindra-monina farany. Ny Paleô-indianina ireo dia niparitaka manerana an' i Amerika, niova ary nihabetsaka ny kolontsaina sy ny fiteny noho ny fiparitahany. Ny teny hoe Indianina dia avy amin' i Christophe Colomb, nihevitra hoe tonga tany Azia (India Atsinanana) izy nefa tany Amerika izy no nitotona, noho izany dia Indianina ny anarana nomeny ny teratany satria tamin' izany fotoana izany, mbola tsy fantatra ny fisian' ny kontinenta amerikana (izy irery ny anisan' ny voalohany niampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin' izany fotoana izany).

Nahua avy any Morelos

Betsaka ny foko indianina mihaza sy mioty, misy maromaro ihany koa mamboly. Misy fiaraha-monina miaina amin' ny fambolena ary misy sasany hafa mamboly, mihaza ary mioty. Misy faritra any Amerika mbola ipetrahan' ny terataniny; any Meksika sy any Bôlivia izao no tena betsaka teratany indrindra any Amerika raha miresaka ara-kevitra (proportion). Ary misy fiteny teratany maro mbola be mpiteny, toy ny fiteny nahoatla, ny fiteny maia sy ny fiteny goarany. Olona amana tapitrisa no miteny ireo fiteny ireo. Misy koa teratany mbola tsy fantatra ary mbola tsy ary nahita Eorôpeanina. Misy izao ohatra teratany any Brezily (Amazonia) mbola tsy hita mihintsy.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Amerika avaratra[hanova | hanova ny fango]

  • Foko teratanin' i Amerika Arktika
  • Foko teratanin' ny tany lemaka
  • Foko teratanin' i Amerika Sobarktika
  • Foko teratanin' ny faritany atsimo-andrefana
  • Foko teratanin' ny faritany atsimo-atsinanana
  • Foko teratanin' ny morontsiraka avaratra-andrefana
  • Foko teratanin' ny kamory
  • Foko teratanin' i Kalifornia
  • Foko teratanin' ny tany lemaka an-tendrombohitra

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Pow wow

I Amerika dia voazarazara ho faritany 9 araka izay voalaza teo ambony. Ny faritany iray dia manana toe-tany maha-izy azy ka miova arakaraka izany ny fomba fiainan' ny mponina teratany

Vondrom-piteny amerindianina[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-pitenin' ny Teratanin' i Amerika Avaratra

Vondrom-piteny aljika[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny wiyot, miami, illinois, etchemin, loup A, loup B, mahican, massachusett, mohegan, pequot, nanticoke, narragansett, pamlico, powhatan, kiripì, naugatuck, unami, unquachog sy shinnecock dia lazaina fa maty avokoa; ny mpiteny wiyot farany (Della Prince) dia matin' ny fahanterana taminy taona 1962. Ny teny sasany rehetra dia atahorana ho faty ihany koa. 12 sisa ny mpiteny yurok.

Vondrom-piteny algônkiana[hanova | hanova ny fango]

Azontsika sokajiana ho anaty vondrona roa lehibe ny fiteny algonkianina:

  • ny fiteny algonkianin' ny tany lemaka;
  • ary ny fiteny algonkianin' ny ala lehibe sobarktika.

Vondrom-piteny sioanina-kataobanina[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny vondrom-piteny sioanina-kataobanina dia ahitana fiteny fito ambin' ny folo

Moskôgeanina[hanova | hanova ny fango]

Moskôjeana

I. Mosokôgeana tandrefana

1. Tsikasao
2. Tsôkotao

II. Mosokôgeana tatsinanana

A. Mosokôgeana tafovoany
i. Renivondrona apalatsia-alabama-koasaty
a. alabama-koasati
3. Alabama
4. Koasati
b. apalatsia
5. apalatsia
ii. hitsiti-mikasokỳ
6. hitsiti-mikasokỳ
B. Kiriky
7. Kiriky

Atabaskanina[hanova | hanova ny fango]

Ny vondrom-piteny atabaskanina dia anisan' ny vondrom-piteny mivelatra indrindra ao Amerika avaratra. Izy io dia hita amin' ny faritany sobarktika .(avaratr' i Kanada, Alaska), amin' ny faritra atsimon' i Etazonia ankehitriny (Texas, New Mexico) ary ao Meksika. Ny teny atabaskanina ihany koa amin' izao fotoana izao no vondrom-piteny teratany be mpiteny indrindra ao Amerika Avaratra sy Afovoany.

Irôkoaianina[hanova | hanova ny fango]

Ny teny dia avy amin' ny teny frantsay Iroquois. Tsy dia mazava loatra ny fiavian' ny teny hoe "Iroquois". Misy milaza hoe avy amin' ny filazana hiro kone ("voalazako") ilay teny; na avy amin' ny teny algonkianina Irinakhoi (bibilava misioka). Manonona ny tenany ho Haudenosaunee ny foko irôkoà.

Amerika Afovoany[hanova | hanova ny fango]

Karaiba[hanova | hanova ny fango]

  1. Ciboney
  2. Arawak
    1. Taino
    2. Lucayan
  3. Mponina Karaiba
  4. Garifuna
  5. Kuna

Amerika Atsimo[hanova | hanova ny fango]

Atsimo ny Amerika Atsimo[hanova | hanova ny fango]

  1. Mapuches (Araucans)
  2. Puelche
  3. Tehuelche
  4. Yamana
  5. Kaweshkar
  6. Selknam
  7. Charrúas
  8. Gauchos

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]