Tantaran'i Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

< Madagasikara

Ny teny hoe « tantaran’i Madagasikara»[1][hanova | hanova ny fango]

Fandrika iray lehibe ho an’izay manoratra tantara ny miseho ho mahalala manontolo ny tantaran’i Madagasikara rehetra. Tsy misy ihany koa ny tokony hihambo ho mahafantatra ny tantaran’i Madagasikara. Tamin’ny zava-nitranga taloha raha nisy ny nanoratra ny tantaram-pirenena iray dia nisy avy hatrany ny nandidy dia homana. Ohatra : « Histoire de France » tondro tokana fanerena hanana fijery tokana io matetika.

Nampisy adi-hevitra be hoe tsy maintsy izay fomba fijery izay ve no atao hoe tantaran’i Lafrantsa ohatra. Teraka noho izany ary fa be ny fomba fijery ny tantara koa rehefa manoratra ny tantaram-pirenena ny mpanoratra iray dia manoratra mazava tsara hoe « Une histoire de France ». Asa raha efa mazava amintsika na tsia ny fanazavana tiako ahatongavana.

Ny Fiavian'ny Anarana hoe : Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

I Marco Polo dia nanome ny anarana hoe: Madeigascar na. Mo gelaiso: nafangarony tamin'ny tanana any Somalia Mogadiscio. Sarintany eoropeana misy an'i Madagasikarany toerany eo atsinanan'i Afrika. Ny portogey nanome ny anarana "São Lourenço" (Saint Laurent), "l'île dauphine" hoy ny Frantsay. Nandroso ny taona, nipoitra ny hoe Madagasikaraka ny mponina tao Faradofay ("Fort Dauphin") dia natao hoe "Madagascarois" na "Madécasses" (izay nijanona tamin'ny teny alemàna ary nivadika Madegassisch). Mpandinika tantara no milaza fa ny teny madekasy dia avy amin'ny hoe Madagasy na Madegasy, teny malaiziana (Malaizia) na afrikana navadika hoe Malagasy. Ireo anglisy taty aoriana no nanaiky an'i Radama Voalohany ho mpanjakan'i Madagasikara.

Araka ny fikarohana natao dia fahadisoana nataon'ireo eoropeanina nanaraka ny feo heno ary voasoratr'ingahy Marco Polo, efa voalazan'ny namana etsy ambony io, no nahataonga ny anaran'i Madagasikara. Ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Milione, voadika amin'ny fiteny italiana ankehitriny dia marihiny fa misy fanjakana roa lehibe matanjaka any amin'ireo nosy roa ao atsinana'i Afrika dia i Madaghosho (Madeigascar na Mogelascio) sy i Zanzibar (Zanguebar); arak'izany ny teny hoe: "Madaghosh" izay ampiasain'i Marco Polo eto dia azo heverina fa mifandrika amin'ny teny hindi indianina hoe: "mad'hos" ; koa noho izy nihaino fotsiny nefa tsy tena mahay ny teny hindi dia izay nahazoany azy no nanoratany azy ; koa azo heverina fa io teny hindi (izay nanaraka ny sivilizasiona Malay tamin'izany) io no mety ho fototry ny teny tena mahalaza ny anarana hoe Madagasikara sy Malagasy, satria miovaova ny fanononana ny teny araka ny fotoana sy ny tantara, ary tsy mitsaha-mivoatra izy.

Ny teny hindi mad'hos moa dia midika hoe: ravoravo, mifalihavanja, velon'aina fa feno fanatenana; tsy lavitra an'izany ny fomban'ny Malagasy ary mahasarika vahiny maro, koa mety ho notondroin'ireto Indianina ho tan'ireo olona falifaly na ravoravo ny Nosintsika. Raha dinihina izany dia ireo Indianina tonga taty amintsika voalohany no nanome io anarana io; ary raha ny fiovan'ny feo no zohina dia toy izao no azo andinihana io teny io: mad'hos mety ho voatonona ho mad'ghos, na mal'hos, na mal'ghos, saingy ny hoe "Madeigascar" voalazan'i Marco Polo dia noho izy nanao lalamahitsy fotsiny, ary nandahatra azy mora fotsiny amin'ny hoe "Zanguebar" na Zanzibar (marihina fa amin'ny fandrasan-teny ny fiovana dia ny "h" lasa "g"; ny "d" miova ho "l", koa azo halalinina akaiky izany).[2]

Toy izao kosa ny hevitr'i Xhi sy M'aa, izay filôzôfy malagasy anisan'ny fanta-daza: Ny fanandroana malagasy dia mampiasa anaram-bolana, toy ny 'fanandroana' rehetra hita eran-tany. Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy. Amin'ireo anaram-bolana ireo dia ny volana Alahamady, Alakaosy ary Alakarabo no nivoahan'ny teny hoe Mady, Kaosy, Kara ka ireo hono no nahatonga ilay hoe Madagasikara rehefa atambatra.

-Avy amin'ny Vondrona MANANKASINTSARA, navoakan'Andriamatoa NOMENJANAHARY Rado fantatra amin'ny solon'anarana hoe(RADO AMPINGA)dia toy izao:

Manankasina → Malagasy ;
Manankasintsara → Madagasikara ;

Ny teny Malagasy dia teny miaina noho izany dia maro ny fiovana mitranga isaky ny vanim-potoana samihafa. Ao ny miha tsara ao ny miha simba ao ny miova tanteraka mihintsy ny heviny

Ohatra:

  1. Antsamodady : ny Antsamotady dia fitaovam-piadiana na hoe "pilotra", kanefa raha ny tena izy dia "antsamatady" (an-samaka-tady).
  2. Amparafaravola : Anaran-tanana io. Raha ny tokony ho izy dia amparafara volo (volontsangana, bararata), teny roa mifanalavitra be ireo ( vola, volo).
  3. Foana : ilazana zavatra tsy misy na zavatra poakaty tany ampiandohana, ankehitriny anefa zary lasa fiteny @fiverimberenana sy hamaroana ny teny hoe foana («Tiako foana ianao»)… Izany dia nalaina avy amin'ny fitenin-jaza, hany ka lasa teny roa mifanohitra hevitra no hiafarany.

Maro be tsy tambo isaina ny teny toy izany, fa raha ny hoe Malagasy dia azo heverina fa fiovana avy amin'ny Manankasy. Dia toy izany ihany koa ny hoe Madagasikara → Manankasintsara.

Ny teny hoe Hasina aloha dia Hasy ihany, araka ny tenim-paritra.

Iaraha miaky ny fanabotolona sy fanimbana kolosaina nentin’ireo mpanjanaka teto amin'ny valam-parihy, manginy fotsiny ireo fanambaniana sy fanapotehana ny tenindrazana. Ny iraisan’ny rehetra na ny mpanjanaka izany na ny voazanaka dia eo amin’ny lafiny filalaovana sy fanovàna teny, fiteny, dia ny fandikana na fampifandraisana ny feo, mba hifandraika amin’ny tenin-drazany ("calque phonétique"). Raha tsy hilaza afa-tsy ny: screw driversokodrevo ("tournevis"), Amin’io teny Sokodrevo io anefa dia tsy very mihintsy ireo hevitra roa: sokotra + revo, izay marihina fa ( calque phonétique) avy amin'ny teny Angalisy.
Dia amin’ny alalan’izany rehetra izany vao maika nanamafy ny fahaverezan’ny hevitra fototra dia ny teny Manankasy izany. Satria raha zohina ireo rehetra ireo dia (calque phonétique) avy amin’ireo mpanjanaka ary nohagasiana indray avy eo ara-pomba fitenenana.

  • Manankasy dia noraisin’ny mpanjanaka ho Mal gache ary nohagasiana ho malagasy.

Azo resahana daholo ny hoe "Madagascarois", "Madeigascar" "Madaghosh", "Madegasy" sy "Malakh + gaz" sns… saingy izao ireto misy ohatra vitsivitsy mba afahantsika mandinika sy misaintsaina:

Teny anglisy Teny malagasy
screw driver sokodrevo
e-mail Mailaka
Internet a[n]terineto
Left lefitra
Right raitra
sns…

Any aoriana any dia mety hilaza ireo taranaky Manankasintsara fa avy amin’ny teny Angalisy ireo voambolana ireo (sokotra, revo, mailaka, anterina, eto, lefitra, raitra …). Kanefa dia tenintsika Manankasina mangarahara daholo no nampiasaina mba ampifandraika ara-keviny.

Ny Fahavazimba (400 - 1500)[hanova | hanova ny fango]

Araka ny volazan'i L. Ramaroson ao amin'ny Teto an'ivon'ny Riaka dia efa nisy olona nonina ihany teto Madagasikaratany amin'ny roarivo taona talohan'i Jesoa Kristy tany ho any, saingy mbola vitsy dia vitsy ny mponina teto tamin'izany. Ny vazimba no voalaza fa nonina teto amintsika voalohany indrindra, dia ny taranak'ireo olona ireo izany no tondroina amin'io anarana io voalohany, fa voatondro ho vazimba koa ireo aziatika na indonezianina efa nanomboka niori-mponenana teto Madagasikarahatramin'ny taonjato Voalohany taorian'i Jesoa Kristy.

Saingy nandritry ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny faha-16 vao tena nisy fifindra-monina rodobe, ary notondroina ho vazimba ireo olona efa teo taloha. Tsy azo hadinoina koa anefa fa efa nivezivezy tamin'ny morotsiraka ny Arabo hatramin'ny taonjato faha-8 taorian'i Jesoa Kristy. Tsy dia misy zavatra fantatra firy momba ireo vazimba hatramin'izao, fa ny antsoin'ny olona ho vazimba koa dia ireo fasana efa tsy misy mpamoha sy tsy misy mpahatsiaro intsony.

Koa aoka ho anjaran'ireo arkeologa ny manamarina izany raha misy sahy mamoha ireny fasana ireny ka hanao fanamarinana siantifika, fa tsy maintsy maro ny zavatra miara-milevina amin'izy ireo ka hanaporofo ny dingana tratran'izy ireo teo amin'ny haitao sy ny fomba amam-panao, izay mety ho re sy fantatra tokoa eo amin'ireo tantaran-drazana ny ny angano na tantara hafa nifandovana isam-paritra. Ny Taimbalimbaly no voalaza ho tompon'ny tany hoy ny tantara, ary fiompiana akoho sy voly saonjo ary fihazana mbamin'ny jono no foto-pivelomany, nivelona tamin'ny tavy kosa ireo olona tonga taty afara koa izany no nahafongotra ny ala teto amintsika.


Ho fanatevenana izay efa voalaza teo ambony dia natsoina hoe vazimba ireo vazimba noho izy ireo resy an'ady tamin'ny fanafihana nataon'ireo mpiavy tonga taty aoriana (izay azo lazaina ho ireo razamben'ny fanjakana Merina). Azo rasaina toy izao ny teny hoe vazimba (Voazimba), izany hoe very hasina satria resy an'ady. Niova moa ny teny manaraka ny andro ka azo heverina araka izany fa avy amin'ny teny malagasy hoe voazimba ny teny hoe vazimba. Tsy marina araka izany ny filazana hoe olona fonentana ny vazimba na izay fomba hafa anoritsoritana azy amin'ny endrika fanaratsiana. Noho izy ireo very hasina no nahatonga ny olona manaratsy ny vazimba toy izany satria heverina ho toy ny olona ambay saranga ny olona vazimba na voazimba.

Ny nahalalana an'i Madagasikaravoalohany ka hatramin'ny Fanjakana Hova (1300)[hanova | hanova ny fango]

Hatramin'ny taonjato voalohany tao.J.K dia tsy nazava loatra ny tena tantaran'i Madagasikara. Tsisy nahitana taratra fa nisy karazan'olombelona niaina talohan'io fotoana io, ka nahatonga ny fieritreretana fa tsy nanana fiandohan-tantara ity nosy ity. P. Laforgue, mpandalina tantara dia nanambara fa "toe-javatra hafa kely izany, nefa dia izay no zavamisy".

Na ny nanazavana ny fiavian'ireo mponina sy ny fotoana tena nipoirany aza dia tsy voalaza mazava. Maro ny sosokevitra naroso, isan'izany ny an'i G. Grandidier, mpikaroka, nilazana fa ny Malagasy dia Indo-melaniziana, nisy nifandraisany tamin'ny olona avy tao Papoazia. Ny Governora Deschamps kosa dia nihevitra fa nisy ireo tansambo izay niatrika ny ranomasimbe indiana, ka izany no niheverany fa ny mponina indoneziana dia niala avy tany India sy ny sisin'i Afrika izay toerana nakan'izy ireo ny mainty hoditra. Rehefa izany dia nitohy tamin'ny sisin'i Afrika ny fifanakalozana mandra-pahatongan'ny fotoana nampatanjaka ny arabo teo amin'ny fifamoivoizana an-dranomasina.

Araka ny hevitr'i Deschamps noho izany, ny mponina malagasy hatramin'ny fahagola dia fifangaroan'ny mponina indoneziana sy afrikana, na eo amin'ny fiteniny na eo amin'ny fomba amam-panao, ary niampy tsikelikely ireo maleziana, indò, arabo, ary eoropeana.

Maro ireo tantsambo nandalo ny morontsirak'i Madagasikara; tao ny arabo, i Marco Polo, i Vasco de Gama, ireo portogezy Pereira sy d'Acunha, de Gonneville,... fa tsy voalaza mazava na tena niantsona tamin'ny tany malagasy izy ireo na tsia.

Fa oviana izany no tena nanomboka ny fanjakana Hova ?

Tsy nahazoana valiny mazava izy io, fa efa tamin'ny andron'Andrianampoinimerina vao nisy daty nazava. Fa ny taona 1300 kosa no noheverina ho nanombohan'ny fanjakana Hova tamin'ny andron'Andrianerinerina. Nanomboka teo ka nandritra ny taonjato roa teo ho eo, dia nisy mpanjaka dimy no nifandimby tao. Tamin'ny 1500 kosa no niakatra teo amin'ny fiandrianany ny mpanjakavavy Rafohy, ka tamin'ny androny no azo lazaina ho tena niforonan'ny fanjakana, tsy noho izy nahazo fanjakana hafa, satria izy dia niaina tamim-pahatsorana tao Imerimanjaka, fa noho ny fahendrena tsy nanam-paharoa nananan'ity vehivavy ity tamin'ny fandaminana ny fifandimbiasana teo amin'ny fiandrianana. Ny zanany vavy, Rangita, no nandimby azy tamin'ny 1520.

Ireo Tatsambo sy ny Fanjakana Sakalava (1500 - 1700)[hanova | hanova ny fango]

Ny Mpanjaka Malagasy (1700 - 1896)[hanova | hanova ny fango]

8-Andrianampoinimerina|ANDRIANAMPOINIMERINA (1787->1810) Andianampoinimerina no andriandehibe Hova nitondra ny anarana hoe "Mpanjakan'i Madagasikara".

Ny nampalaza azy dia ny fahaizany nandrindra sy nandamina ary nanitatra ny fanjakany, "Ny ranomasina no valamparihiko" no teny filamatra nentina nanjaka ary fandriampahalemana no niainan'ireo fanjakany.

Niamboho tamin'ny faha-dimy amby enimpolo taonany Andrianampoinimerina tamin'ny 1810.


9-Radama I ((1810->1828) Valo ambin'ny folo taona Ilaidama raha nandimby an'Andrianampoinimerina tamin'ny taona 1810, ary Radama I no anarana nentiny.

Nandritra ny taonjato XIX dia nisy fifandrafiana teo amin'ny fitondrana frantsay sy ny mpitondra anglisy tao amin'ny nosy Maorisy izay nihevitra an'i Madagasikaraho eo ambany fifehezany. Voasolon'ny Angletera noho izany ny toerana notazonin'i Frantsa tao Madagasikara, ary afaka nifandray ara-pihavanana sy ara-diplomatika tamin'i Radama I izy ireo.

Ny fanjakan'i Radama I, noho izany, dia voamariky ny fananan'ny Anglisy fahefana tanteraka.

Nandritra ny fiandrianany no nanitaran'i Radama ny fanjakany hatrany Toamasina, Mahajanga ary Taolagnaro. Nofoanany ny fanandevozana, natsangany ny tafika, ny fitsarana ambony sy ny mpitsara fara-tampony. Nofoanany koa ny fanamelohana ho faty, fa nosoloiny ny fonja. Natsangany ny sekoly, ny fanotam-boky, ary ny tenan'ny Mpanjaka mihitsy no manara-maso akaiky ny taozava-baventy sasantsasany.

Nomeny fahalalahana hisafidy ny finoany ny vahoakany na dia somary tsy niraika firy tamin'ny fivavahana aza izy. Tamin'izany no nahazo vahana ny "fitoriana ny tenin'Andriamanitra" nataon'ny protestanta.

Ny 27 jolay 1828 izy no niamboho, tamin'ny faha-enina ambin'ny telopolo taonany ; ny zava-pisotro mahamamo no nanimba ny fahasalamany. Ramatoa vadiny, Ramavo, no nandimby azy.


10-Ranavalona I (1828->1861) Ramavo, vadin'ny Mpanjaka niamboho, no nandimby an'i Radama I araka ny lalànan'ny fifandimbiasana eo amin'ny fiandrianana, ka Ranavalona I no anarana nentiny.

Nanjaka tanteraka ny antokon'ny hova taorian'ny niambohon'ilay Mpanjaka tia fahalalahana, ary dia nanjaka tokoa ny habibiana izay tsy mbola fahita tao Madagasikaratamin'izany. Namoaka karazana lalàna izay nanageja tokoa ny vahoakany ny Mpanjakavavy. Ny habibiana, ny finoanoam-poana ary ny fankahalana ny vahiny no tena nanamarika ny fotoana nanjakany. Noroahiny ireo vahiny ary nobodoiny ny tany sy fananan'izy ireo ; nanamparany ny fahefany ny protestanta ; nofoanany ny finoana kristiana, noheverina ho fahavalon'ny fanjakana sy mpamadika ireo misionera sy ny mpanaraka azy. Tamin'ny taona 1849 no tena nafana ny fanenjehana ireo kristiana izay nodorana velona, notapahan-doha na navarina avy teny amin'ny havoana.

Frantsay vitsy dia vitsy no mba navahan'ny Mpanjakavavy tamin'izany, ka isan'ireo i Jean Laborde, izay olona nitokisany tokoa nandritra ny 25 taona. Izy no nanangana ozinina maro, sy nampiditra indostria maro tao amin'ny firenena ary izy koa no vy nahitana ny Rovan'i Manjakamiadana, izay nilana olona an'arivorivony tamin'ny nananganana azy.

I Jean Laborde no naharesy lahatra ny Mpanjakavavy ka nampalefaka azy tamin'ny vahiny. Nanomboka nisokatra ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny tany ivelany.

Ny zoma 16 aogositra 1861, tamin'ny 7 ora maraina no niamboho tamin'ny faha-73 taonany ny Mpanjakavavy rehefa nanjaka 33 taona.


11-Radama II (1861->1863) Rakoto, zanakalahin'i Ranavalona I, no nandimby an-dreniny, ka naka ny anarana Radama II. Teo dia làlam-piainana vaovao,hafa tokoa noho ny tamin'ny teo aloha no niainan'ny Nosy, satria raha lozabe sy tsy mba nandefitra ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ity zanany nandimby azy kosa dia tena olon'ny fo sy malalaka. Ny tena mba faniriany dia ny hanamaivana ny fahorian'ny vahoakany sy ny hahasambatra azy.

Toa ny niaina fitsanganana tamin'ny maty ny vahoaka tamin'izany, vahoaka afa-patorana ka nahazo fahafahana. Nandritra ny fotoana fohy nanjakany, dia nomen'i Radama II fahafahana ny andevo rehetra, nasaina natsahatra ny fanenjehana ny kristiana (protestanta) ary nomeny vahana ny fananganana ny eglizy katolika romana, nofoanany ny haban-tseranana, ary nomeny alalana honina ny vahiny.

Noho izy tsy mba nanafina ny fitiavany an'i Frantsa sy ny Andriandehibeny, dia nangataka tamin'i Napoléon III izy hanendry solontenam-panjakana frantsay ao Antananarivo. I Jean Laborde, namana akaiky ny Mpanjaka no voatendry tamin'izany, ary izy kosa dia nanendry an'i Lambert ho lehiben'ny Masoivohon'i Madagasikaratao Parisy.

Kanefa ny hatsaram-panahin'ny Mpanjaka dia lasa nivadika ho fahalemena ihany koa. Nisy antokon'olona mpankahala azy nitsangana malaky, ka Rabodo vadiny indrindra no lohany tamin'izany. Notoheriny ny fitondran'ny vadiny, ka nikonokonona ny hanjera ny fanjakany izy. Io antoko mankahala an'i Radama II io no nararaotin'ny Anglisy niaraha-dia mba hahafahany mampahazo laka ny politika viktoriana.

Ellis, misionera anglisy, no isan'ny nandranitra ny toe-draharaha raha nanaparitaka fa tadiavin'ny Frantsay alaina an-keriny ny tany Malagasy ka mila tapahina haingana dia haingana ny fifandraisana amin'i Frantsa sy Napoléon III. Babony hatramin'ny fon'ny praiminisitra Rainivoninahitriniony.

Ny 11 mey 1863 dia nisy nahazo baiko tamin'ny praiminisitra namono an'i Radama II.

Rabodo vadiny no voatendry ho Mpanjakavavin' Madagasikaranandimby azy, nitondra ny anarana Rasoaherina.


12-Rasoherina (1863->1868) Raha nanome fahalalahana tanteraka teo amin'ny varotra, ny indostria ary ny finoana isan-karazany i Radama II tamin'ny androny, ireo nandimby ny asany kosa dia nanararaotra namoaka karazan-dalàna tamin'ny anaran'ny Mpanjakavavy, ka anisan'izany ny famerenana ny famelohana ho faty, saingy ny Mpanolotsaina ambony eo amin'ny firenena ihany no mahazo mampihatra izany, ary voaantoka ny fahalalahana ara-pinoana.

Tsy te-hiverina intsony amin'ny hasiahana sy habibiana nanjaka tamin'ny andron'i Ranavalona I ny fitondrana vaovao, saingy tsy nekeny kosa ny fifandraharana tamin'i Frantsa izay nosoniavin'i Radama II.

Ny Mpanjakavavy, izay notokanana ho mpanjaka tamin'ny 30 aogositra 1863, dia nitondra ny anaram-boninahitra mpanjakavavy fotsiny, fa ny tena nandidy teo amin'ny fitondrana dia ny Praiminisitra Rainivoninahitriniony. Raha nivadika ho protestanta ny Praiminisitra dia somary nanomboka nandrara ny finoana katolika izy. Kanefa na dia natahotra ity lehilahy tsy refesi-mandidy aza i Rasoaherina, dia vitany ihany ny nanolo azy tamin'ny zandriny manaraka azy, Rainilaiarivony, tamin'ny 14 jolay 1864.

Rehefa narary nandritra ny fotoana lavalava ny Mpanjakavavy Rasoaherina dia niamboho tamin'ny 1 aprily 1868.


13-Ranavalona II (1868->1883) Ramoma, zanak'olona mpiray tam-po amin'ny Mpanjakavavy Rasoaherina, no nandray ny fiandrianana tamin'ny anarana Ranavalona II ny 3 septambra 1868.Namoaka ny didy momba ny fandrimpahalemana. Ary namerina ny fivavahana Kristianina


14- Ranavalona III (1883->1896) Mpanjaka farany teto Madagasikara ary nalefa sesitany tany Algeria

Ny Fanjanahan-tany (1896 - 1960)[hanova | hanova ny fango]

Vanim-potoana nidiran'ny frantsay tao Madagasikara, fotoana nanamarika ny fidirany tao amin'ny taon-jato faha 20. Azo lazaina hoe nitondra fandrosoana sy fivoaram-piainana ihany teo anivon'ny andavan'androny ihany raha ny fivoarana teo amin'izao tontolo izao no jerena. Saingy teo lafiny politika izay novolavolain'ny fanjanahantany ho tsy afaka hijoro sy hahaleotena no mandrafitra ny tantarany ka niteraka ny fivakisan'ny firaisankina izay fototry ny mahanosy azy

Ny Repoblika Voalohany (1960 - 1973)[hanova | hanova ny fango]

Ity no vanim-potoana nandraisan'ny malagasy ny fitantanana ny fireneny indray, izany hoe mitovy amin'ireo firenena rehetra eran-tany i Madagasikara. Saritsarim-pahaleovantena ihany no nilazana io vanim-potoana io satria ny sehatra rehetra dia nakan'ny mpitondra tamin'izany fankatoavana tany amin'ny firenena nanjanaka teo aloha. Ary izay no niteraka ny fanehoam-panoherana ny taona 1972 ka niafara tamin'ny fahataperan'ny Repoblika Voalohany.

Ny Repoblika Faharoa (1973 - 1991)[hanova | hanova ny fango]

Taorian'ny faharavan'ny Fitondran'ny Repoblika Voalohany dia nisy ny Tetezamita izay fotoana noheverina handinihan-tena teo amin'ny Tantaran'i Madagasikara. Ny Jeneraly Ramanantsoa no nisahana ny andraikitra feno teo saingy noho ireo tarazo nisy vokatry ny teritery tamina sokajin-javatra maromaro teto anatiny sy tany ivelany dia voatery nametra-pialana ny lehilahy ka namindra ny fahefana teo aminy. Ny Kolonely Ratsimandrava no nandray izany tamin-kafanam-po tokoa ; ary mbola tsy afaka ao am-pon'ny Malagasy niaina izany fotoana izany ilay fehezan-teny malaza hoe:"Tsy hiamboho adidy aho mon Général!".

Pejy iray teo amin'ny tantaran'i Madagasikaraio, ary noheverina fa teboka hiaingana hiatrehana ny fandrosoana eran-tany. Teo vao nihevitra fa ho afaka tanteraka ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany. Herinandro ihany anefa ny faharetan'izany satria maty voatifitra ny kolonely Ratsimandrava ny 11 febroary 1975. Dia nisy Tetezamita indray teo fa tsy naharitra an-taona fa am-bolana ihany. Ny Capitaine de frégate Ratsiraka Didier no voatendry hitondra an'i Madagasikarataty amin'ny faran'ny taona 1975. Niezaka ny hitondra hevi-baovao sy fijery vaovao tamin'ny alalan'ny fandaharan'asa iray dia ny Boky Mena ity manamboninahitra Tantsambo ity ary naharesy lahatra ny maro tamin'ny Malagasy izy tamin'izany.

Ny Repoblika Fahatelo (1991 - 2014)[hanova | hanova ny fango]

Noho ireo toe-javatra maro nitranga ka niteraka fahoriana sy fahasahiranana lalina teo amin'ny fiainam-pirenena, dia voatery ny vahoaka izay nentan'ny antoko politika sahy nanohitra ny fitondran'i Ratsiraka Didier naneho fa tsy afaka ny hiharitra intsony izy. Rehefa nitokona am-bolana vitsivitsy ny vahoaka dia resy lahatra ny mpitondra fa tsy afaka hampandeha ny fitondrana intsony ka nifampiraharaha tamin'ny mpanohitra izay neken'ny vahoaka ho mpitondra ny feony.

Ny 31 Oktobra 1991 no nanamarika ny fiafaran'ny Repoblika faharoa ary koa varavarana hisokatra hoan'ny Repoblika fahatelo. Na dia tsy nanapakevitra firy intsony teo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana intsony aza Ratsiraka dia mbola nitazona ihany ny anaram-boninahitra maha filohan'ny Repoblika azy ihany.

I Zafy Albert no nitazona ny andrikitra teo amin'ilay andrim-panjakana (H.A.E) lehibe natao hampijoroana ny Repoblika fahatelo. Narafitra ny lalam-panorenana vaovao, natao daholo izay rehetra hita fa madinana tokony ho tetenina tamin'ny lasa. Ny taona 1993 vao tafajoro tanteraka ny repoblika fahatelo, lany ho filoham-pirenena tamin'izany i Albert Zafy izay nanankinan'ny ankamaroan'ny malagasy ny safidiny. Sahirana teo amin'ny fitadiavam-bahaolana ara-toekarena ireo mpitondra ka niteraka fifanoheran-kevitra teo amin'ireo samy mpiaramitolona izany, ka ny taona 1996 dia voatery naato tamin'ny asany maha filoham-pirenena azy i Zafy Albert, io dia ny lalampanorenana ihany no nahafahana nampiato azy ary sambany teo amin'ny Tantaran'i Madagasikara no nisy fanonganam-panjakana tao anatin'ny fanajana ny lalàna tanteraka. Dia nitsangana ny tetezamita notarihin'i Ratsirahonana Norbert izay filohan'ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana tamin'izany. Dia nikarakara ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hasolo an'i Zafy izy. Nirotsaka hofidina indray teo Ratsiraka ka niverina nifaninana indray izy sy Zafy. Tafaverina ho filoha indray Ratsiraka ny taona 1997 ary nanitsy ny Lalàm-panorenana ka ny mahaolona sy ny tontolo iainana indray no nentiny handresena lahatra ny malagasy.

Niditra tamin'ny fizarana faharoan'ny Repoblika fahatelo teo ny firenena malagasy, 5 taona no niainana izany foto-kevitra vaovao izany, izay fotoana ninian'ny malagasy maro tsy notoinina. Na dia noheverina ho manana traikefa sy fahaizamanao noho ny fotoana maro nitondrany an'i Madagasikaraaza Ratsiraka, dia tsy nisy fanavaozana nentiny teo amin'ny fitantanana. Raha ny fifanarahana iraisam-pirenena no jerena dia nitohy avokoa ireny rehefa niato nandritra ny fotoana nitondran'i Zafy Albert. Maro ny vola fanampiana sy nindramina nentina hanatsarana ny fahefa mividin'ny vahoaka, saingy tsy nisy fiantraikany teo amin'ny tantsaha indrindra.

Voamariky ny firongatry ny andiam-balala ny taom-pambolena ary zary lasa niteraka famoronana asa vaovao ny famongorana ny andiam-balala sy ny atodiny. Ny zanaky ny filoha no nahazo izany tsena izany , saingy tsy dia nifanaraka loatra tamin'ny vokatra nandrasana no azo.Ny taona 1999 nisy ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna ka tamin'izany no nipoirana olona vaovao teo amin'ny sehatra politika. Anisan'ireny ny mpandraharaha tompon'ny orinasa Tiko, izay tsy fantatra fa ny vokatra vokarin'ny orinasany ihany no fantatra. I Ravalomanana Marc no nanana fahasahiana nijoro hitondra fijery vaovao. Mbola tanora sy tsy mbola heno teo amin'ny tontolo politika malagasy ity lehilahy ity ka nanaitra ny mponin'Antananarivo izay toerana nilatsahany ho fidina.

Nanangana fikambanana izy nahazoany nilatsaka dia ny "Tiako I Madagasikara" tamin'izany. Nisy akony teo amin'ny fiainam-pirenena malagasy ny fitantanany ny renivohitra. Fa niezaka nitondra fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna izy, indrindra ny lalana. Noho ity ben'ny tanànan'Antananarivo manana fahasahiana dia nipoitra tsikelikely ny olana taminy sy ny fitondram-panjakana foibe. Rehefa ho tonga ny fotoam-pifidianana izay ho filoham-pirenena dia nirotsaka ho fidina Ravalomanana Marc.

Repoblika fahaefatra (2014 - )[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. source : malagasy miray, nosoratan'i Jentilisa
  2. Jereo G. Treccani, Enciclopedia Italiana di scienze, lettere ed arti, vol. XXI, Milano 1934, p.808.