Tambajotra

Avy amin'i Wikipedia

Ny tamba-jotra (izay azo soratana tambajotra) — avy amin'ny teny tambatra ary zotra — dia zotra iray manana toerana iraisany amin'ny zotra hafa maro. Io zotra io dia mety zotra tariby (izay mifampita fampahalalana amin'ny alalan'ny aratra na ny hazavana) na zotra mifampita fampahalalana amin'ny alalan'ny taratra elektrômanetika. Eto amin'izao tontolo izao, ny tambajotra misongadina indrindra dia ny Aterineto, izay tambajotran-tsolosaina ; ary eo amin'ny aterineto, ny tambajotra ara-tsôsialy izay tranonkala ifandraisan'ny olona.