Tahirin-kevitry ny mpisorona

Avy amin'i Wikipedia

Ny tahirin-kevitry ny mpisorona na loharanon' ny mpisorona, izay hafohezina amin' ny litera P, dia iray amin' ireo lahatsoratra vinavinaim-pisiana ka heverina fa niforonan' ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly, araka ny hevitry ny mpikaroka momba ny Baiboly (i Karl Heinrich Graf, Julius Wellhausen sns) tamin' ny taonjato faha-18. Ny telo hafa amin' izany tahirin-kevitra izany dia ny tahirin-kevitra elôhista sy ny iahvista ary ny deoterônômista. Ireo tahirin-kevitra ireo no mandrafitra ny petra-kevitra ara-tahirinkevitra. Misy anefa ireo mpikaroka taty amin' ny taonjato faha-20 izay nitsikera izany petra-kevitra izany ka namela azy.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]