Samuel Ratany

Avy amin'i Wikipedia

Samuel RATANY

I.   Ny fiainany :

1.1 Fiankohonana


Teraka tamin’ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo.

Zanak’i Ratsimamakitany (Ratany no niantsoana azy), komandy mpampandry tany ary mpampianatra tao amin’ny MPF (Mission Protestante Française) tao Ambatobevanja sy Ramariavero.

Nanambady an’i Rasoazananohatra, tamin’ny Marsa 1926, ary niteraka ny zanany vavy tokana, RASOAVEROMANANA no anarany.


1.2 Sekoly nianarany

·        Ambatobevanja: toerana nanombohany nianatra.

·        Paul-Minault Ambohijatovo: nanohozany nianatra ary nanombohany nandalina ny haisoratra.

·        Tononkalo sy soratra: Andrianjafitrimo anadahin-dreniny no nikolokolo azy.

·        Hira sy zava-maneno: ny rainy no nampianatra azy.

·        Finoana kristianina no nitaizana azy: protestanta.

1.3 Ny asany

         Mpitana bokim-bola tao amin’ny tranombarotra “Vassiliou” teto Antananarivo.

         Maty tamin’ny 10 Oktobra 1926 izy raha mbola tany am-bohoka ny zanany vavy. Ary nalevina tao Lazaina Avaradrano.


II. Ny maha-mpanoratra azy:

2.1 Ny solon’anarany

15 taona no nanomboka nanoratra i Samuel RATANY, ary nitondra ny solon’anarana hoe TANICUS. Iverenany intelo na inefatra ny fanadiovana ny asany vao avoakany. Isan’ny mpanoratra ngezalahy izy.


2.2 Ny asa sorany

Hanandratra ny Poezia Malagasy amin’ny toerana ambonimbony kokoa hatrany no zava-kendreny.


·        Ny tononkalo:

-       “Izay ho feoko eo am-pialana aina”

-       “Irery teo akaikin’ny fasana”

-       “Embona” ( natolony ho an-dRabearivelo)

-       “Mba rotsirotsio”

-       “Tafaverina”

-       “Elégie de minuit” (natolony ho an’i Jean Joseph Rabearivelo)

-       “In memoriam”(natolony ho an’i Albert RANAIVO)

-       “Femme”


·        Sombin-tantara:

-       Imbalanony

-       Nandevina

-       Vita ho azy


·        Sombin’eritreritra:

Mitovitovy endrika amin’ny ohapitenenana sy ohabolana

Ohatra: “Ranovelona tsy miditra any am-pasana ny Ranomaso nefa vavolombelon’ny maha tany ny tany”.


·        Ny hain-teny:

-       Hono, ray tsiriry

-       Fanaovam-beloma ny maty.


·        Gazety sy revio nanoratany:

-       Tanamasoandro

-       Akon’Iarivo

-       Journal de Madagascar

-       Ny Mpandinika

-       Fandrosoam-baovao

-       Tsara hafatra

-       Sakaizan’ny tanora

-       Telegrafy

-       Mifoha i Madagasikara

-       Fehizoro

-       Masoandro


2.3 Ireo mpanoratra sakaizany:

RABEARIVELO no poeta nifanerasera sy nifankatia taminy.

Ny Avana, Ignace Ratsimbazafy, Fredy Rajaofera, Meteora, Joseph Rajaonah, Eliza Feda, Rafanoharana, Jean Narivony, Lusio. B, Rodlish.


2.4 Tara-kevitra ao anaty asa sorany:

(vanim-potoana fiforetana anaty no nahitana ny asany)

-       Sorisorin-tsaina,

-       Alahelo tsy fanta-piaviana

-       Fikaloana ny zava-boaary

-       Ny lasa sy ny fahazazana

-       Fahafatesana sy ny fasana

-      Embona sy hanina

-      Ny fahadisoam-panantenana

-      Ny fahakambotiana