Richard Ratsimandrava

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Teraka tamin'ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo. Nanampakatra an'i Razafindramoizina Thérèse izy ny 22 Septambra 1956 ary niteraka enina izy ireo.


Fianarana nataony :

1938 : Sekoly Ambavahadimangatsiaka Antsirabe

1940 : 9éme hatramin'ny Terminales teny amin'ny Lycée Galliéni tao Andohalo Antananarivo

1952-1954 : nanohy fianarana tao amin'ny Lycée Carnot tao Dijon

1954-1956 : voaray soa amantsara tao amin'ny Ecole Spéciale Militaire Interarmes de Saint-Cyr


Mari-boninahitra :


20 Aogositra 1957 : Commémoration AFN

14 Jiona 1966 : Chevalier de l'Ordre national

14 Oktobra 1971 : Officier de l'Ordre national

31 Desambra 1971 : Chevalier de la Légion d'honneur

5 Febroary 1975 : Grand Cordon de l'Ordre national


Ireo asa sy adidy niandraiketany :


1 oktobra 1956 : niofana tao amin'ny Ecole d'application de l'Infanterie de St Maixent France raha mbola nitondra ny mariboninahitra Sous-lieutenant

1956-1958 : niatrika ady tany Maroc sy Algérie

1 martsa 1958 : nanao ny sekoly Infanterie coloniale

17 aogositra 1958 : namarana ny fiofanana tao amin'ny Ecole d'application de l'infanterie de Saint Maixent

1 oktobra 1958 : nahazo fisondrotan'ny mariboninahitra ho Lieutenant

5 janoary 1959 : nampianatra tao amin'ny Centre d'Instruction des nouvelles recrues tao amin'ny Camp Galliéni tany Fréjus (Frantsa)

28 oktobra 1959 : nampianatra tao amin'ny Centre d'instruction des nouvelles recrues tao Beravina Fianarantsoa

11 jiona 1960: voatendry ho Mpifehy ny Holafitra Faha-2, 1er Régiment Interarmes Malgache Antananarivo

1 febroary 1962 : nasondrotra hitondra ny mariboninahitra Kapiteny

Novambra 1962 : voatendry tao amin'ny Zandarmaria nasionaly

Mey 1963 : niofana ho Zandary tany Lodève (Hérault, Frantsa)

Oktobra 1963 : Niofana tao amin'ny Sekoly Manamboninahitra Zandary, Melun,(Frantsa)

Jona 1964 : Nahazo ny fanamarinam-pianarana tamin'ny Sciences criminologiques tao Paris

Jolay 1964 : Niverina indray teto Madagasikara ary izy no Manamboninahitra Zandary Malagasy voalohany

Septambra 1964 : Voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerie tany Toamasina

Aogositra 1967 : Notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin'ny Zandarmaria nasionaly 1 Jiona 1968 : Nahazo fisondrotan'ny mariboninahitra ho Lieutenant Colonel

1 Avrily 1969 : Notoloran'ny Filohan'ny Repoblika Philibert Tsiranana ny Fanevan'ny Komandy ambony ao amin'ny Zandarmaria.

13 Mey 1972 : voatondro ho nikomy tamin'ny Fanjakana mpitondra izy raha nanameloka ny fitifirana ny mpianatra Tolon'ny Mpianatra tamin'ny 13 Mey 1972

25 Mey 1972 : Notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin'ny Zandarmaria nasionaly, tamin'ny Governemanta notarihin'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel

8 oktobra 1972: fitsapan-kevi-bahoaka momba ny hananganana ny Fokonolona ka nandresen'ny "ENY"

1 janoary 1973 : nomena ny fisondrotan'ny mariboninahitra ho Kolonely

Martsa 1973- desambra 1974 : noho izy Minisitry ny Ati-tany no nahazoany ny solon'anarana hoe "Minisitry ny Ala-olana"

23 janoary 1975 : rava ny Governemantan'ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel

5 febroary 1975 : natolotry ny Jeneraly RAMANANTSOA azy ny "Fahefana feno" hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ka nanekeny fa "tsy hiamboho adidy" izy

Talata 11 Febroary 1975 tamin'ny 8 ora alina: lavon'ny balan'i Zimbo teo Ambohijatovo ambony Maty voatifitra niaraka taminy ireo mpiambina azy GP2 RABOTOVAO Samuel sy GP2 RAKOTOARISOA Bernard


Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]