Raveloharison Herilanto

Avy amin'i Wikipedia

I Raveloharison Herilanto dia zandaromeria manam-boninahitra malagasy sady minisitry ny toe-karena sy ny teti-pivoarana nanomboka tamin'ny volana aprily 2014 tao anatin'ny governemanta Kolo Roger.

Biôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Fianarany[hanova | hanova ny fango]

Nahavitana fianarana momba ny fitantanana sy ny asam-panjakana tao amin'ny "Université de Sorbonne" sy "Institut International d'Administration Publique" tany Paris izy ary nitana andraikitra ambony tao Madagasikara.

Politika[hanova | hanova ny fango]

Ministry ny tontolo iainana sy ny ala izy tao anatin'ny governemanta Camille Vital nandritra ny tetezamita notarihan'i Andry Rajoelina. Tamin'ny 2012 ia voatendry ho filohan'ny Comité pour la Sauvegarde de l'Integrité ka nitantana izany nandritra ny iray taona. Taorian'ny fifidianana filoham-pirenana ka nahalany an'i Hery Rajaonarimampianina, dia voatendry ho iray amin'ireo minisitra 31 tao anatin'ny governemanta Kolo Roger ny "Jeneraly de Division Raveloharison" ka nisahana ny Ministeran'ny Toe-karena sy ny Teti-pivoarana. Tamin'ny Septambra 2014 dia nisedra olana lehibe noho ny fahatapahan'ny herinan'aratra ny firenena malagasy. Noheverenina fa tsy nanana ny fahalalana ampy enti-mitantana izany i Fihenena Richard, izay Ministry ny Angovo, koa dia nesorina tsy ho ministry. Ny Jeneraly Raveloharison no notendrena ho ministry ny angovo mpisolo toerana vonjy maika. Tamin'ny Desambra 2014 dia isan'ireo nasandratra ho "General de Corps d'Armée" ny Jeneraly Raveloharison Herilanto noho ny ezaka nataony tamin'ny nandrafetana ny Drafitr'Asam-pirenena momba ny Fampandrosoana (Plan National de Developpement) tao anatin'ny fe-potoana latsaky ny enim-bolana araka ny vinavina. Ny 25 Janoary 2015 dia voatazona ho Ministry ny Toe-karena sy ny Teti-pivoarana izy tao anatin'ny governemanta tarihin'ny Praiministra vaovao Ravelonarivo Jean.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]