Ramsesy II

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ramesses II)
Ramsesy II
Ankapobeny
Anarana Ramsesy II
Teraka 1 Janoary -1302
Maty 1 Jolay -1212
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Ramsesy II na Ramesesy II dia faraôna (na farao) tany Egipta (na Ejipta) nandritra ny vaimpotoan’ny Empira Vaovao, izay niaina teo anelanelan’ny taona 1279 tal. J.K. hatramin’ny 1212 tal. J.K. any ho any. Teraka tamin’ny taona 1302 tal. J.K. ary maty tamin’ny taona 1212 tal. J.K. izy.

Nanjaka nandritra ny fotoana lava dia lava i Ramsesy II ka izy no fantatra indrindra amin’ireo faraôna nifandimby, izay sady andriamanjaka mifomban’andriamanitra, be herimpo amin’ny adin-tafika sady nahavita fanorenanan-javatra maro.

Faraôna fahatelo tao amin’ny andron’ny fianakavia-mpanjaka (dinastia) faha-19 i Ramsesy II. I Sety I no rainy. Ankoatr’i Nefertary sy i Isisy-Nôfreta izay vadiben’ny mpanjaka dia nanana vady maro ny mpanjaka nandritra ny fanapahany, izay niteraka zaza zato mahery taminy. Tao Memfisy no nanamasinana azy ary nanao ny renivohiny tao amin’ny tapany avaratr’i Ejipta izy, ao amin’ny tanàna izay naoriny, dia i Per-Ramsesy (“tanànan’i Ramsesy).  

Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny fotoana nanapahany dia niady mba haka indray ireo faritra aty Afrika sy any Azia Minora izay fananan’i Ejipta tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-15 tal. J.K. i Ramsesy II. Tamin’izany fotoana izany dia ny Hitita izay vahoaka mahery miady any Azia Minora no mpifanandrina taminy nandritra ny fotoana maharitra dia maharitra. Ny ampahan’ady mafy indrindra dia niseh tamin’ny taona 1274 tal. J.K. tao Kadesy, any amin’ny tapany avaratr’i Siria. Nihevitra y vokatr’izany ho fandresena miezinezina ho an’ny Ejipsiana i Ramsesy nefa tsy nanova ny satan’ireo faritra iadina ireo izany. Nisy fifanarahana natao taorian’izany ady izany ka ireo tany niadiana dia nozaraina ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny fanambadian’i Ramsesy II ny zanakavavin’ny mpanjaka Hatosily III ny fandriam-pahalemana.

Ny fotona sisa rehetra tamin’ny fanapahan’i Ramsesy II dia voamariky ny fifantohany tamin’ny fanorenana zavatra miezinezina. Novitainy aloha ny asa natomboky ny rainy tao Abidôsy, avy eo dia nanamboatra ny efitra malalaka manana tafo voatohan’andry ao amin’ny tempolin’i Amôna tao Karnaka izay natombok’i Amenôfisyy III, alohan’ny hanamboarany ny tempoliny manokana, indrindra fa ny andry voalohany ao amin’ny tandahatr’andry manodidina ny tempolin’i Loksôra, ny Rameseoma ao Tebay (na Teba), ny tempoly voasokitra anaty harambato ao Abo Simbela (Abu Simbel), izay nataony hanomezam-boninahitra an’i Nefertary vadiny sy an’ny tenany.

I Mineptà no nandimby azy rehefa maty izy.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Seti I no rainy. Ny vadiny dia Nefertari, Isetnofret, Maathorneferure. Ny zanany dia Amun-her-khepeshef, Merneptah, Ramesses (Son of Ramesses II), Meryatum. Ny rahalahiny sy/na ny rahavaviny dia Tua.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.