Ndrina Zopanage

Avy amin'i Wikipedia

Ndrina Zopanage na Ndrina Ranaivoarimanana dia mpikambana ao amin'ny tarika Zopanage hatrany am-piandohany tamin'ny taona 80 ary izay no antony nisafidianany ny anarana hoe Ndrina Zopanage eny an-tsehatra.

Azo lazaina fa nianoka tanaty mozika hatramin'ny fahakeliny i Ndrina. Isan'ny nanamarika ny fahazazany ny fanarahany hatrany ireo anadahin-dreniny tao amin'ny tarika "Ny Valolahy" tany amin'ny taona 70 raha nanao fampisehoana izy ireo fahizany, indrindra teny amin'ny Tranompokonolona Isotry.

Manoratra sy mamorona ary mitendry izy. Maromaro ny hiran'ny Zopanage no mitondra ny soniany, toa ny "Vazoy", "Ny andro anio", "Vorombý", sns.

Ny gadona pop folk no tena manavanana azy.

Raha niala tanindrazana izy tamin'ny taona 1984 nanohy ny fianarany tany Frantsa dia zavatra iray tsy mba navelany ny mozika. Tamin'ireny fotoana ireny no nananganany ny tarika Ako tao Marseille ary efa nahatafavoaka kapila 33 T izy ireo tamin'izany.

Nisy fotoana ihany koa nangalany herintaona fiatoana kely tamin'ny fianarana (année sabbatique) ka nifantohany manokana tamin'ny mozika. Anisan'ny nandaniany ireny fotoana ireny ny nanampy ireo artista malagasy tonga tany Frantsa nanao fampisehoana, tao ihany koa ny niandraiketany fandaharana miompana amin'ny mozika tamina fampielezampeo tany atsimon'i Frantsa.

Rakikira :[hanova | hanova ny fango]

2017 : "Fa Hira No Fiainako"[hanova | hanova ny fango]

Amin'ity rakikira ity dia namana sy havana no nindramin'i Ndrina hihira, afa-tsy hira iray ihany.

1- Vazoy (Haritiana Raelison, Ariela Andrianjatovo, Laza Rakotomalala, Haja Rakotonanahary)

2- Vorombý (Harinaivo Rabevala, Zopanage)

3- Ny andro anio (Fidy Raoelison, Tsiakoraka)

4- Faly, ravo (Haritiana Raelison, Ariela Andrianjatovo, Laza Rakotomalala, Haja Rakotonanahary)

5- Vizana ny vahoaka (Haritiana Raelison)

6- Fandriampahalemana (Laza Rakotomalala)

7- Masonao (Ndrina Ranaivoarimanana)

8- Nenina (Haritiana Raelison)

9- Vavaka (Ariela Andrianjatovo)

Fandrindrana feo sy zavamaneno : Haritiana Rakotonanahary (Dièse Studio)

Azonao tsidihana :[hanova | hanova ny fango]