Nanning
Nanning (sinoa notsorina : 南宁; sinoa nenindrazana 南寧 ; pinyin : Nánníng) dia renivohitry ny faritany mizaka-tenan'i Guangxi any Sina. Ny teny tenenina ao dia fiteny pinghua, tenim-paritra sampanan'ny fiteny kantoney. Noho ny habetsahan'ny zavamaniry tropikaly, voaantso « Tanàna Maintso » ny tanànan'i Nanning.
[hanova] Jeografia
Ny tanànan'i Nanning dia any amin'ny faritra atsimon'ny faritanin'i Guangxi, 160 avy avaratra ny sisin-tany vietnamianina.
[hanova] Toe-tany
Tropikaly ny toe-tan'i Nanning ; noho izany dia misy any ny mousson. Mafana be any Nanning rehefa fahavaratra fa tsy dia mangatsiaka loatra any rehefa ririnina. Ny anivon-hafanana any dia 21,6 °C. Mandrivotra matetika any ary tsindraindray manorana be any, ny haabon'ny orana latsaka any dia misy 1 300 mm isan-taona. Vitsy dia vitsy ny oram-panala any.
[hanova] Rohy ivelany
- ((zh)) Tranonkalan'ny governemanta - Endrika:Fandikana google
- ((zh)) Saritanin'i Nanning
- ((en)) Saritanin'i Nanning hafa
- ((fr)) Sarin'i Nanninga ao amin'ny Panoramio