Mpikambana:Botratombochristin

Avy amin'i Wikipedia

I BOTRATOMBO Christin dia olon-tsotra, Malagasy teraka tao amin' tanana kely anankiray atao hoe Ampahana, Kaominina Ambanivohitra 28km miala ny tananan'Antalaha mianavaratra amin'ny lalana mankany Sambava. Nanao fianarana ambaratonga voalohany tao amin'io tanana io ihana ary voatery niakatra taty andrenivohitra Antalaha mba hanaraka ny ambaratonga faharoa. Niala tany Antalaha tamin'ny taona 1980, ary nanohy ny fianarana tekinika mikasika ny electricité tany amin'ny Lycée Technique Toamasina ny dimy taona manaraka. Afaka Baccalauréat première session ny taona 1985. Nanao fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika ny taona manaraka, nefa tsy niditra avy hatrany tany amin'ny Université ny taona manaraka fa niandry ny taom-pianarana 1986-1987.