Môsikao

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Moskva)
Hanketo: Fikarohana, karohy
Môsikao
- Flag of Moscow.svg
220px
Velarantany NC
Isam-ponina 10 770 000 mponina
Tanànan-dehibe 14 744 150
Ben'ny tanàna Yuri Luzhkov
Firenena Rosia
Faritany Distrika Afovoany (Rosia)

Môsikao na Moscou (amin'ny fiteny rosy Москва, Môsikao, IPA : /mɐˈskva/) dia renivohitra ny Federasionan'i Rosia ary tanàna ngeza indrindra any Eoropa.

Eo amin'ny renirano Moskova ny misy an'i Môsikao, mitovy anarana amin'ilay renirano ilay tanàna amin'ny fiteny rosy. Eo amin'ny distrika ampivoany, amin'ny lafy eoropeaninan'i Rosia ny misy an'i Môsikao.

Môsikao dia ny tanàna ngeza indrindra any Eoropa amin'ny isam-poniny mahatratra 10,22 tapitrisa mahery ao an-drenivohitra ary 14,74 tapitrisa raha isaina ny ambanivohitra. Renivohitra ara-toe-karena, ara-politika sy ara-pahaizan'i Rosia ny Môsikao, ary 8,9% ny olona any Rosia miaina any Môsikao.

Betsaka ny fandraisana anjaran'ny tanànan'i Môsikao ao amin'ny tantaran'ny Rosia : Renivohitra ny Grand-Duché-n'i Môsikao izy, ary lasa renivohitra ny Empira Rosy ; nafindran'i Pierre le Grand (Petera Ilaibe) tany Saint-Petersbourg ny renivohitra ; very lanja ny tanànan'i Môsikao hatramin'ny taona 1918 ; Lasa renivohitry ny URSS Môsikao tamin'ny taona 1918. Fantatra amin'ny fanam-pananana ara-maritrano i Môsikao : ao ny Kremlin miaraka amin'ny fehivolany, ny katedraly St Basile eo amin'ny Kianja Mena, ny katedralin'i Kristy Mamonjy sy ny Sera Stalinianina Fito. Any Môsikao ny foibe ny Partiarka ny fiangonana Ortodoksa Rosy ny monasteran'i Danilov. Eo amin'ny toeran'ny Kremlin sy ny Kianja Mena ny ampivoan'i Môsikao.

ny antsoin'ny mponina Rosy "Матушка Москва" (« Matuška Môsikao ») (Reny Môsikao) ny tananan'i Môsikao.

Foiben'ny oniversite maromaro ny tanàna, tany ny fisin'ny Kilalao Olimpika tamin'ny 1980.

Ankehitriny, manan-danja be ny tananan'i Moscou ao amin'ny toe-karenan'i Rosia, mahavokatra ny 25%n-ny PIB ny federasiona izy. Lasa « Géante Capitaliste »[1] Môsikao teo aorian'ny andro komonista ary efa manan-danja Môsikao eo amin'ny toe-karena eoropeanina. Ny faribohitr'i « Môsikao-City » ny evan'ny fiovan'ny Môsikao. Fa tsy nandeha tsy nisy olana io fiovàna io. Ny elanelana ara-toe-karena ny olona dia lasa nihabetsaka avy hatrany : Misy silaka manan-karena ary miha-manan-karena, ary misy ny mahantra miahamahantra.

Ny mponina[hanova | modifier le wikitexte]

Araka ny census natao tamin'ny 2008, 10 382 754 ny isan'ny olona tany Moscou. Ny faminavinana natao ho an'ny taona 2007 mampiseho fa efa nihoatra ny 12 tapitrisa ny isam-ponina. Kanefa io isa io tsy manisa ny olona tsy manana alànana mipetraka sy ny gastarbeiter miaina any an-tanàna. Avy any amin'ny Kaokazy (Azerbaijana, Armenia, Jeorjia) sy Azia Ampivoany (Kazakstana, Ozbekistana, Tajikistana) ny ankabiazan'ny olona miaina any. Misy ihany koa ny mponina avy amin'ny firenena ny URSS taloha.

Môsikao dia anisan'ny tanàna manana fitomboana tsy mihemotra any Rosia : tamin'ny 2006, +0,22% ny fitomboany. Ny "taux de natalité" tamin'ny 2006 dia 9,2‰ ary ny "taux de mortalité" dia 12‰. Kely ny elanelan'ny "taux de natalité" sy ny "tax de mortalité" any Môsikao nohon'ny any an-tsisan'i Rosia : -0,28% any Môsikao ary -0,48% eran'ny firenena. Ny antony mampiakatra ny isam-ponin'ilay tanàna dia izao : betsaka ny olona avy any amin'ny tanàna hafa. Ary ny pôlitika ny governemanta koa ny mampiakatra azy io. Efa nidina betsaka mihintsy ny fahafatesana ary nihakatra fito taona ny sala ny halavam-piainana any Môsikao.

Ny tanàna[hanova | modifier le wikitexte]

Fivoarana ho avy[hanova | modifier le wikitexte]

Ny faritanànan'i Môsikao City dia ho toeram-barotran'i Môsikao. Any ivelan'ny Môsikao ara-tantara, any amin'ny distrikan'i Presnensky, ny ho hisy azy. Mivoatra be ny toeran'n Môsikao City. Niheritreretina tamin'ny 1992 ilay tetikasa ary ny tanjony dia hampivoatra toerana ara-toe-karena sy toerana ipetrahana. Ny fivelaran'ilay faritanàna dia misy 1 km2. Io faritra io ihany ny voasafidy ho an'ilay tetikasa satria orinasa sy ozinina efa taloha daholo ny teo.

Ny Federation Tower ny ho trano mijoalajoala avo indrindra any Eoropa. ho tapitra amin'ny farany 2010 ny fanamboarana. Mety ho resin'ny Russia Tower ny Federation Tower amin'ny 2011, 650 metatra ny haabony (nijanona tamin'ny Aprily 2009 ny fanamboarana ny Russia Tower noho ny fisin'ny krizy ara-teo-karena). Ho betsaka ny trano hijoalajoala, ny toeram-barotra, ny centre aquatique eo. Ho ao amin'ny faritanàna ao koa ny hisy ny trano fandrindrana ny Môsikao, sy ny trano avo ipetrahana.

Ny toe-tany[hanova | modifier le wikitexte]

sary mampiseho ny hafanana sy ny orana any Môsikao

Ara-kontinenta ny toetr'andro any Môsikao, ny dikan'izany dia betsaka ny elanelan'ny hafanana anelanelan'ny fahavaratra sy ny ririnina. mangatsiaka ny ririnina ary mafana ny fahavaratra. Fohy ny lohataona sy ny fararano any Môsikao. Amin'ny andro fahavaratra, manakaiky ny 25 °C ny hafanana ary midina ao amban'ny -10 °C izy amin'ny andro ririnina. Nahatratra 36,7 °C ny hafanana ny andro nafana indrindra tamin'ny volana Aogositra 1936, ary -42,2 °C ny hatsiaka tany tamin'ny Janoary 1940. Mitovitovy ny habetsaky ny orana mandava-taona, fa somary betsabetsaka izy amin'ny fahavaratra nohon'ny ririnina. Misy oram-panala eo amin'ny tanin'i Môsikao amin'ny atsasan'ny Novambra hatramin'ny farany Martsa. Mety mahatratra 78 santimetatra ny haabo ny ora-panala nilatsaka amin'ny andro ririnina.

Toe-karena[hanova | modifier le wikitexte]

Hatramin'ny 2006, anisan'ny tanàna lafo indrindra eto an-tany ho an'ireo vahiny i Môsikao. Ny havitsian'ny trano, ny fihakaran'ny vidin'ny Rouble sy ny fisin'ny milionera rosy vaovao mety manazava ny fiakaran'ny vidin'ny trano any Môsikao. Sady atao lafo ny vidiny ho an'ny vahiny.

Matetika mipetraka anaty trano efitra kely ny olona mipetraka any, nomena tsy andoavam-bola ireny trano ireny tamin'ny taonan'ny Sovietika na tamin'ny taona 1990, miampy amin'io koa ny hamora ny service publics sy ny hetra 13%, mampidina ny vidy ny fiainana any an-drenivohitra izany politika izany.

Tamin'ny taona sovietika, mande arakaraky ny m²/olona ny hofatrano. Mety mahazo bonus ny olo-malaza. Voafetra ny harena tamin'ny andro ny sosialista.

Tsiahy[hanova | modifier le wikitexte]

  1. ((fr)) http://cat.inist.fr/?aModele=afficheN&cpsidt=17339907