M'Boutah

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny M'boutah)

M'Boutah - 1998 – 1999: seho an-tsehatra voalohany tao amin'ny trano fisakafoana Kabary Antsirabe, nisalorany ny anarana hoe Tamboho, gadona nentindrazana Malagasy sy ny reggae

 Fandraisam-peo ny kapila mangirana voalohany gadona reggae niaraka tamin'i Biba.
   *-2000 :Ny tena niforonan'ny tarika Tamboh.
 *-2002 : Fandraisam-peo an-tsehatra  ny kapila mangirana  ahitana ny sangan'asa volahan'ny Tamboho.
      * - 2003 : Seho an-tsehatra fanokafana ny fankalazana ny Madajazzcar tao Antsirabe niaraka tamin'i Jacquis Ralph ( mpitendry gitara jazz Malagasy).
     * « Zix » dia  niditra dia tao amin'ny tarika, izay niova ho  M'Boutah 
       * - 2005 : fivoahan'ny raki- kira voalohany amin'ny sangan'asan'ny M'Boutah mitondra ny anarana hoe Dess Elm ( gadona netindrazana Malagasy mifangaro )
       * Seho an-tsehatra ny tarika M'Boutah tao amin'ny Alliace Française Antsirabe (sangan'asan'ny tarika M'Boutah rehetra )
     * Nandritra izay enina taona izay, ny tarika dia nanafana lanona maro tao Antsirabe ary niara niasa akaiky tamin'ny Alliance Française tamin'ny alalalan'ireo hetsika ara kolon-tsaina nokarakaranin'ity farany, indrindra ireo fankalazana ny fetin'ny mozika. Nanao hetsika hafa koa  ny tarika tamin'ireo Alliances Françaises  amin'ny faritra manodidona an'Antsirabe
    * - 2006 : Fandraisam-peo sy famoahana ny raki-kira RAOMILY narahin'ireo fampisehoana maro nampahafantarana ny tarika ( tao amin'ny Alliance Antsirabe, CCAC Tana, CGM Tana, tapany voalahany ny Tôty Group tao Tana, festival Madajazzcar tao Fianarantsoa. )
     * Fidiran'i Cédric tao amin'ny tarika teo amin'ny sehatrin'ny gadona mihetsiketsika.
      * - 2007 : Seho an-tsehatran'ny M'Boutah tao amin'ny Alliance Française Antsirabe niaraka tamin'i Silo ary nanasana koa an'i Tôty.
      Seho an-tsehatra maro sy lanonana an-trano tao Tana ( Piment café, Jardin, Kudeta, Bus
  * Seho voalohan'ny Sylvia Howard tao amin'ny CCESCA Tana nandritran'ny fankalazana ny Madajazzcar .
       * -2008 : Seho an-tsehatra tamin'ny fankalazana  iraisam-pirenena DONIA
      * Seho an-tsehatra tamin'ny fankalazana ny mozika miaina Mada ANGAREDONA natao tao Antananarivo.
       * Raki-kira vaovao mbola eo an-dalam-pikarakarana. Fanombohan'ny fandraisam-peo ao amin'ny studio Kokoa.
     * - 2009 : Famitana ny Raki-kira farany ...TSABO... ary mivoaka amin'ny tranon-kala kokoazik.com.
     * Fanomanana ny Raki-kira vaovao amin'ny gadona nentindrazana tanteraka.
      *  Ny tarika dia  voafantina ny hitondra ny anaran'ny Madagasikara amin'ny Festival de la Francophonie amin'ny septembra 2009 any Liban.

Teo anelanelan'ny taona 2006 sy 2009, ny talentan'ny tarika M'Boutah dia miha taratra hatrany eo amin'ny sehatran'ny mozika Malagasy ary ny tarika dia fantatra amin'ny mpanakantony amin'ny fahaizany sy ny mpikambana fanta-daza miraka aminy.