Málaga

Avy amin'i Wikipedia
Ny Alcazaba sy ny teatra romana

Málaga dia tanàna any atsimon' Espaina, eo amin'ny aorontsiraky ny Mediteranea. Araka ny fampahalalànan'ny fanisana tamin'ny 2009, ny isam-ponina any dia misy 1 593 068 ; 568 305 amin'ireo no mipetraka ao ambonivohitra.

Ity no renivohitry ny faritan'i Málaga eo amin'ny amorontsiraka andaloza, ao atsimon' Espaina.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Fisiana[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan'ny Málaga dia eo ambavaranon'ny Guadalmedina, io tanàna lehibe miloko fotsy io dia voazakan'ny Gibralfaro, ny « vohitra ny fanilo », voafefy rindrina hatry ny taonjato faha 14. Ny toerana isian'i Málaga, eo avaratry ny amorontsiraka Marokanina, ny tanànan'ny Málaga dia tanàna Andaloza manan-danja ho an'ny faritra eo amin'ny amorontsiraka Mediteranea.

Toe-tany[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan'ny Malaga dia any amin'ny farany atsimon' Espaina ary izy angamba no manana ny teo-tany anisan'ny tsara indrindra ny Eoropa. I Malaga dia manana toe-tany Mediteraneanina miaraka amin'ny hafanana 18°C mandavan-taona. Amin'ny fahavaratra, ny hafanana dia eo anelanelan'ny 25 sy 30°C, ary amin'ny andro ririnina, ny hatsiaka dia tsy midina latsaky ny 14°C. Fa na dia izany, ny tany any anatinatiny any dia manana elanelanan bebe kokoa nohon'ny eo amin'ny amorontsiraka. Raha 500-600mm monja ny latsakorana, manorana mandritry ny 59 andro any mandritry ny taona. Ny andro tena be orana any dia ny andron'ny volana Desambra sy ny volana Janoary : mandritra ireo volana ireo, valo andro ny isan'ny andro misy orana, kanefa iray andro fotsiny ny andro misy orana rehefa amin'ny volana Jolay sy amin'ny volana Aogositra.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.