Lakandranon'i Suez

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny lakandranon'i Suez hita avy amin'ny zanabolana

Ny lakandranon'i Suez dia lakandrano any Ejipta, eo anelanelan'ny Ranomasina Mena sy ny ranomasina Mediteranea. 190,25 km ny halavany, 280-345 m ny ampohiny, ary 22,50 m ny halaliny. Miampita ny isman'i Suez izy, avy any Port-Saïd eo amin'ny ranomasina Mediteranea, hatrany amin'ny tanànan'ny Suez eo amin'ny ranomasina Mena. Afahan'ireo ranomasina roa ireo mifandray.

Nanomboka tamin'ny 1859 ilay tetikasa fandavahana azy, ary tapitra tamin'ny 1869 izy. Ny diplômata sy inzeniera frantsay Ferdinand de Lesseps no nitondra ilay tetikasa. Io lakandrano io dia afahan'ny sambo avy ao Eoropa makany India tsy mila mandalo any Afrika atsimo eo amin'ny Cap de Bonne Esperance. talohan'ny fanokafana ilay lakandrano tamin'ny 1869, ny entana dia tsy maintsy entina amin'ny tany eo anelanelan'ny Ranomasina Mediteranea sy ny Ranomasina Mena.

Noho ny fahombiazany noho ny fitombon'ny isan'ny sambo mandalo ao, ny lakandranon'i Suez dia fidiram-bola fahatelo any Ejipta. Raha sanatria misy voina manentsina ilay lakandrano, ny vola very amin'izany dia misy 7 tapitrisa dollar isan-andro.

Ny tompon' io lakandrano io dia ny Suez Canal Authority, tompon' andraikitry ny fikarakarana azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Sehatry ny Suez Canal Authority, ho an'ny refy momban'ny lakandrano sy ny toromarika
  • Fitsipika
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.