Lakandranon'i Mozambika

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny lakandranon'i Mozambika

Ny lakandranon'i Mozambika dia sampan'ny ranomasimbe Indiana mampisaraka an'i Madagasikara amin'i Afrika, tandrify indrindra an'i Mozambika.

Ireo nosy[hanova | hanova ny fango]

Any avaratra, eo anelanelan'i Madagasikarasy ny kontinenta afrikana no misy ny tamba-nosy Kaomory.

Ao ihany koa ireo nosy kely - ankoatra ny nosy Tromelin izay mitokana any amin'ny ranomasimbe indiana - izay eo ambany fiadidian'i Frantsa ka antsoina hoe "Nosy miparitaka" : ny nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa ary Bassas da India.

Ny tombon-tsoa atolony[hanova | hanova ny fango]

Ahitana ireo toerana fitiliana ny toetr'andro sy ny fihavian'ny rivo-doza ireo nosy kely miparitaka ao amin'io lakandrano io.

Maro ireo sambo mpitatitra solintany no mandalo ao.

Mahamora ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina sy an'habakabaka iraisam-pirenena ihany koa ao, indrindra ny fifamoivoizana Madagasikara-Djibouti-Madagasikara, na Maorisy-Kenya-Maorisy.