Jonny r'afa

Avy amin'i Wikipedia

Jonny r'afa na Andriamanankoavy Jonny dia nianatra momba ny sokitra tao amin'ny École Nationale Supérieure des Beaux-Arts ao Paris.

Fa hoy i Jonny r'afa raha manazava momba ny asany izy :


"Voalohany aloha dia ny Art no enti-mikolokolo sy mampiroborobo ny Tadidy Iombonan'ny malagasy. Adidy izany enti-manaja ny niaviana. Dia mitady izay tokony hotahirizina amin'izany , ary mampita, mandika azy. Eto no ampitoviako ny asako amin'ny an'ireo etnaolaogy. Ny andraikiny dia ny "mampiseho ny miafiana" anivon'ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao andavanandron'ny mponina iray. Ary satria efa malalaka ny fivelarana ara-toekarena sy ara-kolontsaina, dia mifarimbina amin'ny fampahafantarana an'i Madagasikara hatrany andafin'ny ranomasina Indiana,ka izany amin'ny alalan'ny asa sary. Iza moa no afaka milaza ny mombamomba io nosy io mihoatra ny terataniny, indrindra raha mpanakanto?


Rehefa izany, misokatra amin'izao tontolo izao amin'ny izay fomba hafa ananako ankoatry ny sarisokitra: ny hira sy ny soratra. Izany enti-maneho, tsy ny hanitry ny taloha ihany, fa ny ankehitriny koa. Mety aza hanaovana sary drafitra hoan'ny hoavy? Ary, araky ny fombafomba vaovaon'ny fifandraisana eran-tany, dia atao izany amin'ny teny iray azon'ny ampahany lehibe amin'izao tontolo izao vakiana: teny frantsay.


Izany no anoratako, am-panarahana ny dian'ny poety malagasy iray nanoratra amin'ny teny malagasy/frantsay ary antsoina hoe J. J. Rabearivelo. Izy io anefa tsy afaka nihoatra tany Eraopa tamin'ny fahavelony. Satria aho afaka nanao izany, dia ataoko raharaha ny manohy ny asa lavitrezaka sy mavesatra natombony: ny ho ambasadaoron'ny habakaba-pisainan'ny malagasy.


Tahak'izany no andaharako sy itondràko ny asako. Ny Art no ahafahako, na dia toy ny mandravona ihany aza, manolotra ampahany amin'izany sivilizasiona avy lavitra izany an'i Frantsa, no sady manome voninahitra ny malagasy amin'ny fampahafantarana azy misimisy kokoa any ivelany."


Ireo sangan'asany dia azo jerena ato http://jonny-rafa.com/ Archived Aogositra 15, 2014 at the Wayback Machine na koa ato: https://www.youtube.com/channel/UCmQjI0kQU6ka__7P9lqjJHQ

Ankoatra ny asa-sokitra dia manana talenta eo amin'ny tononkalo sy mozika ihany koa izy.

Mpanoratra, mpamoron-kira sy mpihira i Jonny R'afa. Isan-karazany ny zava-maneno kitihiny toy ny gitara, kabosa, ary valiha.

Isan'ny nalaza tamin'ny hirany - izay noforoniny raha mbola 15 taona monja izy - i Rabodoniarivo. Eo ihany koa Retsiana, Ravorombazaha, Bilo.


Ny mombamomba azy dia azo jerena ato : http://www.myspace.com/jonnyraf