Joany Mpanao Batisa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Jean le Baptiste)
Joany Mpanao Batisa
Ankapobeny
Anarana Joany Mpanao Batisa
Teraka Tsy fantatra
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Joany Mpanao Batisa na Joany Baptista na Jaona Mpanao Batisa dia olo-malaza eo amin' ny kristianisma ary mpaminanin' ny finoana silamo. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יוחנן / Yohanan izy. Ara-tantara, ny fisiany dia hamarinin' ny andalan-teny avy amin' i Flavio ​​​​Jôsefa. Mpitory teny jiosy izy tamin’ ny andron’ i Jesoa.

Ny Filazantsaran' i Joany dia manondro ny toerana niasany eo amoron' i Jordana sy ao Betania any an-dafin' i Jordana. Mety nitoetra fotoana kelikely tao amin' ny manodidina azy i Jesoa, ka tao no nitaona ny apôstôliny voalohany. Ny filazantsara sinôptika dia mampiray ny fiandohan' ny asan' i Jesoa amin' ny fampigadrana an' i Jaona.

Nitombo hatrany ny mpihaino an’ io mpaminany apôkaliptika io, ka nanaitra an' i Herôda Antipasy, izay natahotra sao hiteraka fikomiana, rehefa nahita azy nanangona ny mpomba azy. Araka ny filazantsara sinôptika dia novonoina ho faty i Joany satria nanakiana ny fanambadian' i Antipasy an' i Herôdiasy.

Ao amin’ ny kristianisma, i Joany Batista no mpaminany nanambara mialoha ny fiavian' i Jesoa sy nanao batisa azy teo amoron’ i Jordana, ary namela ny mpianany sasany hiaraka aminy. Mpialoha lalana ny Mesia i Joany izay aseho ao amin' ny filazantsara sinôptika fa manana toetra maro itoviany amin' i Elia mpaminany, izay tsy voalaza ao amin' ny Filazantsara araka an' i Joany.

Ny Katôlika dia manao azy ho olomasina ary manokana fety roa ho azy: ny 24 Jona, izay fahatsiarovana ny nahaterahany, napetraka enim-bolana alohan' ny Nôely na Krismasy mba hifanaraka amin' ny tantaran' ny fahazazan' i Jesoa ao amin' ny Evanjely nosoratan' i Lioka, ary ny 29 Aogositra, izay ankalazana ny fahatsiarovana ny fanapahan-doha azy.

Ny mandeisma dia manao azy ho mpaminany lehibe indrindra. Ny Mozilmana dia manao azy ho mpaminany taranak' i 'Imrān.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

I Zakaria no rainy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.