Hery Rajaonarimampianina

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Hery Rajaonarimampianina

Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana, teraka ny 6 Novambra 1958 tany Antsofonondry) dia mpanao politika malagasy ary kandidà amin'ny fifidianana ny filoham-pirenena ny taona 2013.

Biografia[hanova | hanova ny fango]

Teraka ny 6 Novambra 1958 izy tao Antsofonondry ary mponin'i Sabotsy Namehana. Tamin'ny 1982 izy dia nahazo MBA tao amin'ny Établissement d'Enseignement Supérieur de Droit, d'Économie de Gestion et de Sciences Sociales (EESDEGS), tao amin'ny Oniversiten'i Antananarivo. Taorian'izay izy dia lasa tao amin'ny Oniversiten'i Trois-Rivières, Québec (Kanada) hanohy ny fianarany.

Niverina tany Madagasikara tamin'ny 1991 i Hery Rajaonarimampiannina ary niasa ho mpanao kaonty. Lasa talen'ny INSCAE tao Antananarivo izy ary mpampianatra mpanampy tao amin'ny Oniversiten'i Antananarivo ary tao amin'ny IAE ny Oniversiten'i Metz (Frantsa)).

Politika[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 2009, dia niantso azy ho eo amin'ny toeran'ny minisitry ny vola sy ny teti-bolam-pirenena ny governemanta tetezamita izay entin'i Andry Rajoelina. Nandritry ny taona nitazonany io minisitera io dia kely ny fiovan-tsandan'ny Ariary ary voafehin'ny minsiterany tsara ny fiakaran'ny vidin'entana mandritry ny krizy politika, krizy ara-toe-karena ary ara-bola niharan'ny Madagasikara nandritry ny fe-potoana 2009-2013.

Dimy andro nialoha ny fihodinana voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2013 dia voatolotra ho solon'i Andry Rajoelina sy kandidà roa hafa izay nolavin'i CES i Andry Rajaonarimampianina ary hitondra ny laharana fahatelo. Nanatena izy fa hampiombona ny ankamaroan'ny malagasy izy amin'ny fifidianana. Faharoa izy tamin'ny valin'ny fihodinana voalohany, ary izy no mitarika ara-bato amin'ny fihodinana faharoa.

Na dia nolazain'ireo mpanohitra azy fa nisy aza ny hala-bato, dia voatonona ho filoha lanin'ny fifidianana filoham-pirenena voalohan'ny repoblika fahaefatra izy tamin'ny 17 Janoary 2014. Nandray ny fahefana tamin'ny 25 Janoary izy.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.